Fanambaran’ny Transparency International – Initiative Madagascar manoloana ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika

197 0

Fanambaran’ny Transparency International – Initiative Madagascar manoloana ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika omaly sy ireo tsy fanaraha-dalàna maro hitan’izy ireo.

♦️Natao an-terisetra ny fifidianana ary hitan’ny mason’ny rehetra izany. Tsy niaro ny hasin’ny vahoaka anefa ireo manana ny fahefana hampitsahatra izany.
♦️Tandindonin-doza ny firenena noho ny tsy fahaiza-mitantana.
♦️Efa fantatra fa mananontanona ny loza saingy nisafidy ny hangina ny maro an’isa ary namela izany hitranga, na dia teo aza ireo tsy fanarahan-dalàna sy tsy fanajana ny zon’olombelona ary ny fisian’ny kolikoly.
♦️Mitovy amin’ny fanekena sy ny maha ara-dalàna ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra ny fanekena ny valim-pififidianana.
♦️Midika fa manaiky ny fanararaotana ny fahantrana ho tetika farany handresena amin’ny fifidianana ny fanekena ireo valim-pifidianana ireo.
♦️Mila hajoro ny fanoherana ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fisamborana izay hiarovana tombontsoa manokana ataon’ny fanjakana.
♦️Mila mandray ny andraikiny ny tsirairay.

Related Post

𝐅𝐀𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 | 𝐍𝐈𝐃𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐍𝐈𝐉𝐄𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 

Posted by - août 30, 2024 0
𝐅𝐀𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 | 𝐍𝐈𝐃𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐍𝐈𝐉𝐄𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 Fatsakana, fantatra amin’ny anarana hoe…