NOTOLORANA FITAOVANA NY FONJA AO VATOVAVY SY FITOVINANY

297 0
FANDAHARAN’ASA FANARENANA: NOTOLORANA FITAOVANA NY FONJA AO VATOVAVY SY FITOVINANY 
 
Ny faha 07 sy faha 09 ny volana novambra 2023 , tonga teto amin’ny fonjan’ny Manakara sy fonjan’ny Mananjary ny solon-tena avy tao amin’ny Fandaharan’asa FANARENANA niaraka tamin’ny Tetika’asa Mikolo Aina nanolotra fampitaovana ho an’ireo Mpandraharaha ny Fonja mba ho fanatsarana sy fanamorana ny asan’ny fandraharahana ny fonja eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny fandraharahana ny fonja « VATOVAVY sy FITOVINANY » ary koa nanolotra mari-pahaizana ho an’ireo vehivavy voafonja andiany voalohany, nahatontosa ny fampiofanana zaitra sy fanamboarana « SHL » izay niharahana niasa tamin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fampiofanana Arak’asa.
 
 Ireo fampitaovana natolotra dia : 11 packs d’ordinateurs de bureau avec écran, clavier, souris, unité centrale ; 01 ordinateur portable ; 10 Stabilisateurs ; 10 onduleurs ; 04 imprimantes ; 07 clés USB de 08 Go ; 02 Appareils photos numériques ; 40 Lampes de poches ; 20 Lampadaires solaires ; 01 Groupe électrogène ; 16 talkies walkies ; 02 box wifi ; 30 sifflets ; 02 Balances électroniques ; 10 armoires métalliques, 31 chaises visiteurs ; 06 chaises de bureau ; 13 Tables de bureau ; 04 matelas ; 04 motos de services ; 40 habillements imperméables.
 
Ny Ministeran’ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa FANARENANA dia nametraka tanjona kendrena toy izao manaraka izao :
 
– Fanatsarana ny toem-piainan’ireo voafonja ;
– Fanatsarana ny farim-piainana sy ny fanomanana ny fiverenan’ireo voafonja eny anivon’ny fiaramonina.
– Fanatevenana traikefa sy ny fitantanana momba ny fandraharahana ny fonja sy ny fitantanana eo anivon’ireo toeram-pamonjana ;
 
Miahy sy mandrindra ary manara-maso ny fanatanterahana ireo lamin’asa napetraka.
Arak’izany ny Fandaharan’asa FANARENANA dia nametraka ny vina ho fanatsarana ny sehatr’asan’ireo mpandraharahan’ny fonja ary koa ny fiaimpiainan’ireo voafonja sy ny fanomanana ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.

 © MinJus

Related Post

Nafana ny fandraisan’ny vahoakan’ny Kaominina Anjeva Gara ny Kandida N°3

Posted by - mai 26, 2024 0
𝐍𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐉𝐄𝐕𝐀 𝐆𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐊𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟑 – 𝐀𝐕𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐉𝐈𝐌𝐌𝐘 — Anio Alahady 26…