NOTOLORANA FITAOVANA NY FONJA AO VATOVAVY SY FITOVINANY

221 0
FANDAHARAN’ASA FANARENANA: NOTOLORANA FITAOVANA NY FONJA AO VATOVAVY SY FITOVINANY 
 
Ny faha 07 sy faha 09 ny volana novambra 2023 , tonga teto amin’ny fonjan’ny Manakara sy fonjan’ny Mananjary ny solon-tena avy tao amin’ny Fandaharan’asa FANARENANA niaraka tamin’ny Tetika’asa Mikolo Aina nanolotra fampitaovana ho an’ireo Mpandraharaha ny Fonja mba ho fanatsarana sy fanamorana ny asan’ny fandraharahana ny fonja eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny fandraharahana ny fonja « VATOVAVY sy FITOVINANY » ary koa nanolotra mari-pahaizana ho an’ireo vehivavy voafonja andiany voalohany, nahatontosa ny fampiofanana zaitra sy fanamboarana « SHL » izay niharahana niasa tamin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fampiofanana Arak’asa.
 
 Ireo fampitaovana natolotra dia : 11 packs d’ordinateurs de bureau avec écran, clavier, souris, unité centrale ; 01 ordinateur portable ; 10 Stabilisateurs ; 10 onduleurs ; 04 imprimantes ; 07 clés USB de 08 Go ; 02 Appareils photos numériques ; 40 Lampes de poches ; 20 Lampadaires solaires ; 01 Groupe électrogène ; 16 talkies walkies ; 02 box wifi ; 30 sifflets ; 02 Balances électroniques ; 10 armoires métalliques, 31 chaises visiteurs ; 06 chaises de bureau ; 13 Tables de bureau ; 04 matelas ; 04 motos de services ; 40 habillements imperméables.
 
Ny Ministeran’ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa FANARENANA dia nametraka tanjona kendrena toy izao manaraka izao :
 
– Fanatsarana ny toem-piainan’ireo voafonja ;
– Fanatsarana ny farim-piainana sy ny fanomanana ny fiverenan’ireo voafonja eny anivon’ny fiaramonina.
– Fanatevenana traikefa sy ny fitantanana momba ny fandraharahana ny fonja sy ny fitantanana eo anivon’ireo toeram-pamonjana ;
 
Miahy sy mandrindra ary manara-maso ny fanatanterahana ireo lamin’asa napetraka.
Arak’izany ny Fandaharan’asa FANARENANA dia nametraka ny vina ho fanatsarana ny sehatr’asan’ireo mpandraharahan’ny fonja ary koa ny fiaimpiainan’ireo voafonja sy ny fanomanana ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.

 © MinJus

Related Post

𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐎𝐓𝐀-𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 Tonga nanontrona ireo kandida ben’ny tanana IRMAR…