Fanerena sy fanitsakitsahana mivantana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety no hita taratra amin’ilay tranga voalaza fa nitranga tao Fianarantsoa.
Araka ny vaovao voaray, dia tsy noraisin’ny sekoly tsy miankina iray hanohy ny fianarany intsony ny zanakavavin’ny mpanao gazety iray, taorian’ny lahatsoratra navoakan’ny reniny.
Raha voamarina fa noho ilay vaovao navoakan’ny reniny tokoa no anton’izao fanapahan-kevitra izao, dia mazava ny resaka:
Tsy tokony hatao takalon’aina ny zanaky ny mpanao gazety!
Tsy misy ifandraisany amin’ny lahatsoratra navoakan’ny reniny ny fianaran’ilay zaza. Tsy tokony izy no hizaka ny vokatry ny asa ataon’ny ray aman-dreniny, indrindra raha asa fampahalalam-baovao natao ho tombontsoan’ny besinimaro izany.
Fanitsakitsahana indroa sosona no miseho eto:
Manameloka tanteraka ny herisetra, ny fandrahonana ary ny tsindry rehetra atao amin’ny mpanao gazety ireo mpisehatra amin’ny fampitam-baovao.


