π…π€π‡π€πŒπ€πˆπ™π€πβ€™ππ˜ Β« ππ€π™π€π‘π˜ πŠπ„π‹π˜ Β» π“πŽπ€πŒπ€π’πˆππ€ : π•π€π‘π˜ πŸ”πŸ“ π“π€πŽππˆππ€ ππ€π“πŽπŠπ€πβ€™ππ˜ π…πˆπŠπ€πŒππ€ππ€ππ€ π…π€ππ‰πˆπ‘π˜ π‡πŽ π€πβ€™πˆπ‘π„πŽ ππˆπ€π‘π€πŒ-ππŽπˆππ€

39 0
π…π€π‡π€πŒπ€πˆπ™π€πβ€™ππ˜ Β« ππ€π™π€π‘π˜ πŠπ„π‹π˜ Β» π“πŽπ€πŒπ€π’πˆππ€ : π•π€π‘π˜ πŸ”πŸ“ π“π€πŽππˆππ€ ππ€π“πŽπŠπ€πβ€™ππ˜ π…πˆπŠπ€πŒππ€ππ€ππ€ π…π€ππ‰πˆπ‘π˜ π‡πŽ π€πβ€™πˆπ‘π„πŽ ππˆπ€π‘π€πŒ-ππŽπˆππ€
Taorian’ny hain-trano nitranga tao amin’ny tsena Β« Bazary Kely Β» ao Toamasina, ny 02 Aogositra 2026, dia nandefa iraka teny an-toerana Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA, filoha mpanorina ny Fikambanana Fanjiry, hijery akaiky ny zava-misy sy hitondra fanohanana ho an’ireo niaram-boina.
Tafiditra ao anatin’ny asa sosialy sahanin’ny Fikambanana Fanjiry ny fanohanana ireo mpiara-belona miatrika fahasahiranana sy voina. Manoloana ny fahavoazana nateraky ny fahamaizan’ny Bazary Kely dia nidina teny an-toerana ireo solontenan’ny fikambanana, ho fanehoana firaisankina amin’ireo niharam-boina.
🍚 π•π€π‘π˜ πŸ”πŸ“ π“π€πŽππˆππ€ π‡πŽ π€πβ€™ππ˜ 𝐓𝐒𝐄𝐍𝐀 𝟐 πŸ’πŸπŸ”
Araka ny fanazavana voaray, vary 65 taonina, izany hoe 1 300 gony, no natokana ho fanampiana ary hozaraina amin’ireo tsena 2 416 voakasiky ny voina.
Natao hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo niharam-boina ity fanampiana ity, indrindra fa maro amin’ireo tsena may no isan’ny fototry ny fiveloman’ny fianakaviana.
Ho an’ny Fikambanana Fanjiry, tafiditra ao anatin’ny asa sahaniny ny fanohanana ny mpiara-belona sy ny fanaovana voin-kava-mahatratra, indrindra rehefa misy loza na voina tampoka mianjady amin’ny mponina.
⚠️ πŒπ€πˆπ-π“π€ππ˜ : πŒπˆπ‹π€ π‡π€πŒπ€π…πˆπ’πˆππ€ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€πŒπ€πˆπ‹πŽπ€ππ€ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π€π…πŽ
Eo anatrehan’ny tranga tahaka izao, ary indrindra amin’izao ankatoky ny vanim-potoanan’ny main-tany izao, dia ilaina ny fahamailoan’ny tsirairay amin’ny fisorohana ny hain-trano.
Tokony hojerena tsara ny fitaovana elektrika sy ireo mety hiteraka Β« court-circuit Β», tsy avela hirehitra tsy misy mpanara-maso ny fatana na afo, ary mila fitandremana manokana ny fampiasana labozia, arina, entona fandrehitra ary ireo akora mora mirehitra.
Ho an’ireo tsena sy toerana be olona kosa, zava-dehibe ny fananana extincteur na fitaovana famonoana afo vonjimaika mora raisina, ary ny fitazonana hatrany ireo lalana ahafahana mivoaka haingana rehefa misy loza.
Ny afo kely tsy voafehy dia mety hivadika ho voina goavana ao anatin’ny fotoana fohy. Koa ny fisorohana, ny fitandremana ary ny fahamailoan’ny tsirairay no fiarovana voalohany amin’ny hain-trano.

Related Post