FOKONTANY LAZAINA – AVARADRANO |  FASANA MIISA 3 NO INDRAY VAKY NY ALIN’NY ZOMA HIFOHA ASABOTSY LASA TEO.

16 0

Akory ny hatarain’ny Mponina teto amin’ny Fokontany Lazaina, rehefa nisy Zaza nilalao ka nampandre ny Lehiben’ny Fokontany fa misy Fasana vaky, ary miparitaka eran’ny tokon-tanim-pasana ny razana rehetra.

Tsy niandry ela fa tonga dia nanatona teny an-toerana ny Mponin’ny Fokontany Lazaina, niaraka tamin’ny Filohan’ny Fokontany nijery ny zava-misy, ka tamin’izany no nahalalana fa fasana miisa 3 no  indray vaky. Tapitra nalain’ireo Mpangalatra taolam-paty avokoa ny taolan-dava ny razana, ary ny sisa tsy nilain’izy ireo ireto naparitaka eran’ny tokon-tanim-pasana ireto. Tsy ela taorian’izay dia tonga teny an-toerana ny Zandarimariam-pirenena, dia ny Borigady eto Sabotsy Naùehana  sy ny Polisy Nasionaly eto amin’ny Kaominina Anosy Avaratra, ary tonga ihany koa ny solon-tena avy ao amin’ny Kaominina.

Alahelo, ranomaso, miharo hatezerana ny an’ny fianakaviana nahita ireto havana efa nindaosin’ny fahafatesana, kanefa dia mbola nisy nangalatra ihany ny taolam-balon’izy ireo.

Hatreto mbola tena fanontaniana tsy nahitam-baliny ny hoe «  Iza no mividy itony taolan’ny maty itony ? efa maro izay voasambotra izay fa toa tsy ahitam-bokany hatrany ? iza no ao ambadik’izy ireo ? ary hatao inona ny taolam-paty ?

Hany herin’ny fianakaviana, dia namerina namono ny laona sisa tsy lasan’ireo tsy valahara.

Toy ny mahazatra, efa mandeha ny fanadihadihana !

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀.

Posted by - février 23, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀. — Miakatra 150ha ny tanim-bary voatondraka ankehitriny, ny…