VATOVAVY – Mananjary : Fanaovam-beloma farany an’i RAZAFINDRATSIDY Laurencin Vanceslas, mpanao gazety

12 0

Notanterahina androany sabotsy 20 jona 2026, teto Mananjary, ny fanaovam-beloma farany an’i RAZAFINDRATSIDY Laurencin Vanceslas, mpanao gazety, izay nodimandry teo amin’ny faha-32 taonany, taorian’ny aretina nahazo azy nandritra ny andro vitsivitsy.

Tonga nanotrona sy naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakaviany ireo namana, havana, mpiara-miasa, ary solontenan’ireo fikambanan’ny mpanao gazety. Maro ihany koa ireo olom-pantatra sy mpiara-monina no tonga nanome voninahitra farany azy, noho izy anisan’ireo olona nanana fifandraisana akaiky tamin’ny fiarahamonina.

Araka ny nambaran’ireo mpiara-miasa taminy, olona nanana fanoloran-tena tamin’ny asa fanaovan-gazety i Laurencin Vanceslas. Niezaka hatrany izy nampita vaovao sy nanatanteraka ny adidiny amin’ny maha mpanao gazety azy, ka nahazoana fankasitrahana teo amin’ireo niara-niasa sy nifandray taminy.

Fahabangana lehibe ho an’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Mananjary sy ho an’ny fianakaviany ny fahalasanany. Namela vady sy havana ary namana maro malahelo izy.

Handry am-piadanana anie ianao, ry zandry.

Nangonin’i Océane Elia

FDM Mananjary

Related Post

Distrikan’Ambatondrazaka | Akon’ny andron’ny 08 MARTSA

Posted by - mars 8, 2025 0
« 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧-𝐣𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐬𝐲 𝐳𝐚𝐭𝐨𝐯𝐨 𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 » Tsy nahasakana ny rehetra tsy hankalaza tao anatin’ny hafaliana sy…