๐“๐Ž๐‹๐ˆ๐€๐‘๐€ : ๐๐€๐Œ๐€๐…๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐‘๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐„๐๐˜ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐๐“๐’๐ˆ๐‘๐€๐Š๐€ ๐Œ๐€๐๐†๐ˆ๐‹๐˜ ๐’๐˜ ๐Œ๐€๐ƒ๐ˆ๐Ž๐‘๐€๐๐Ž ๐๐˜ ๐ƒ๐„ฬ๐“๐€๐‚๐‡๐„๐Œ๐„๐๐“ ๐๐€๐•๐€๐‹ ๐“๐Ž๐‹๐ˆ๐€๐‘๐€

23 0
Aminโ€™izao fankalazana ny alatsinainโ€™ny Pentekรดty izao, dia nampitombo ny fepetra fiarovana eny aminโ€™ny morontsirakโ€™i Mangily sy Madiorano, any Toliara, ny Dรฉtachement Naval Toliara, mba hiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ireo mpitsangatsangana sy mpilomano maro mamonjy ny tora-pasika.
Araka ny vaovao voaray, dia nahetsika manokana ireo mpitandro filaminana an-dranomasina sy ireo fitaovana famonjena aina ary vonjy taitra, hiatrehana izay tranga mety hitranga eny an-toerana.
Ireo hetsika ireo dia tanterahina eo ambany fibaikoanโ€™ny Lieutenant de Vaisseau ANDRIANIAINA Marinot Lรฉonid, Kaomandinโ€™ny Dรฉtachement Naval Toliara.
Tanjonโ€™ny hetsika ny hahafahanโ€™ny rehetra mankafy ny ranomasina sy ireo toerana fizahan-tany aminโ€™ny fomba milamina sy azo antoka, sady hisorohana ireo loza mety hateraky ny filomanosana na ny fivezivezena an-dranomasina mandritra izao fotoana fialantsasatra izao.
Manentana hatrany ny tomponโ€™andraikitra mba samy hitandrina sy hanaja ireo toromarika momba ny fiarovana eny amoron-dranomasina ny rehetra.
๐Ÿ“ท: Tafika andanomasina
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post