๐€๐๐“๐’๐Ž๐‡๐ˆ๐‡๐˜ : ๐•๐Ž๐€๐‹๐€๐™๐€ ๐…๐€ ๐๐ˆ๐’๐˜ ๐Ž๐‹๐Ž๐๐€ ๐๐€๐๐€๐Š๐€๐๐€ ๐€๐-๐Š๐„๐‘๐ˆ๐๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐‘๐€๐๐€ ๐“๐€๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ โ€œ๐†๐‘๐„๐„๐ ๐’๐๐€๐‚๐„โ€

72 0
Araka ny vaovao voaray, dia nisy tranga nampiahiahy nitranga tao aminโ€™ny toeram-pilanonana โ€œGREEN SPACE ANTSOHIHYโ€ ny alakamisy 21 Mey 2026, tokony ho taminโ€™ny 09 ora maraina teo ho eo. Miaramila dimy lahy, notarihinโ€™ny manamboninahitra iray mitondra galona Kapiteny, no voalaza fa niditra an-keriny sy nanakana ny fidirana sy fivoahana tao aminโ€™ity toerana ity.
Raha ny fanazavana azo avy aminโ€™ireo tomponโ€™andraikitra ao an-toerana, dia nobahananโ€™ireo miaramila ny lalana rehetra miditra sy mivoaka ao aminโ€™ilay toerana, nefa voalaza fa tsy nampiseho taratasy na fahazoan-dalana ara-dalร na manamarina izany hetsika izany izy ireo. Tsy izay ihany fa voalaza ihany koa fa nesorinโ€™izy ireo ny โ€œcamรฉra de surveillanceโ€ izay natao hiantohana ny filaminana sy fiarovana ny toerana.
Nambaranโ€™ireo mponina manodidina sy ireo tomponโ€™andraikitra ao aminโ€™ny โ€œGREEN SPACE ANTSOHIHYโ€ fa mitondra fitaovam-piadiana ireo olona voakasika mandritra ny alina, raha manao fanamiana sivily kosa aminโ€™ny antoandro. Toe-javatra izay vao mainka nampitombo ny ahiahinโ€™ireo tomponโ€™orinasa sy ny mponina eny an-toerana.
Manoloana izany, dia efa nandray fepetra ara-pitsarana ireo voakasikโ€™ity raharaha ity. Voalaza fa efa nalefa tany an-toerana ny Huissier hanao โ€œconstatโ€, ary efa nisy ihany koa fangatahana โ€œordonnanceโ€ napetraka teo anivonโ€™ny Tribunal Antsohihy, saingy tsy voaray taminโ€™ny ora farany izany, araka ny fanazavana nomenโ€™ny tomponโ€™andraikitra.
Noho ireo sakantsakana sy olana sedrainโ€™izy ireo ireo dia voalaza fa voatery namindra toerana ny โ€œPOOL PARADISEโ€, izay isanโ€™ireo hetsika sy fialamboly natao tao aminโ€™ity toerana ity.
Maneho ny ahiahiny sy ny fahasahiranany ireo tomponโ€™orinasa voakasika, satria, hoy izy ireo, dia miteraka fatiantoka ara-bola sy fahapotehanโ€™ny asa fivelomana ny zava-misy ankehitriny. Miantso ny tomponโ€™andraikitra mahefa izy ireo mba hijery akaiky sy handray fanapahan-kevitra haingana manoloana ity raharaha ity.
Etsy andaniny, mbola andrasana kosa ny fanazavana ofisialy avy aminโ€™ireo tomponโ€™andraikitra ara-miaramila sy ny manampahefana mahefa momba ity raharaha ity, mba hahafahana mametraka mazava ny zava-nitranga sy misoroka ny fifandisoam-baovao.
๐Ÿ“ท : Capture tamin’ny video, nalefan’ireo nihararam-boina
Nangonin’Lay Mahitsy

Related Post

MENABE CONNEXION

Posted by - novembre 18, 2024 0
Nahazo fiaraha miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsay eto Madagasika ka tetik’asa eo anivon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny lafiny…