DISITRIKAN’I BENENITRA | Tetikasa fananganana “Barrage Agricole” hanondraka tanimbary aman’arivo hekitara

25 0

Nidina ifotony tao amin’ny kaominina Benenitra, fokontany Mandarano/Tanapiso, ny Solombavambahoakan’i Benenitra sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, notarihin’ny Lehiben’ny Distrikan’i Benenitra, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny tetikasa MIONJO.

Tanjona tamin’izao fidinana ifotony izao ny nijerena sy nanombanana, niaraka tamin’ireo teknisianina, ny toerana hametrahana “barrage agricole” iray lehibe. Tombanana hahafahana manondraka tanimbary manodidina ny arivo hekitara ity fotodrafitrasa ity, ka heverina hitondra vahaolana lehibe ho an’ny sehatry ny fambolena ao an-toerana.

Nisy ihany koa ny fifampidinihana sy fakana hevitra tamin’ireo mponina eny ifotony izay hisitraka mivantana ity tetikasa ity. Nambaran’ireo vahoaka fa zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny distrika sy fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha ny fanatanterahana izao fotodrafitrasa goavana izao.

Velom-pisaorana ny fitondram-panjakana tarihin’ny Kolonely Randrianirina Michael ny mponin’i Benenitra noho ny famaliana ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana tetikasa maharitra sy lovain-jafy tahaka izao.

Nandritra izany ihany koa no nanamafisan’ny Solombavambahoaka RAZAFINDRAMASY Faralahy Célestin ny fahavononany hanohy ny ezaka fampandrosoana ho an’ny distrikan’i Benenitra.

Nangonin’i Faralahy Mahapetsa

Related Post

𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲

Posted by - janvier 8, 2024 0
𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲 Tao Ianantsana Avaratra,Fkt Soatsiovana kominina Manandroy, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony.…