Kasaina hotanterahina eto Ambatolampy aminβity taona ity ny fiadiana ny tompondaka isam-paritra taranja basketball. Ho fanomanana izany fandraisana izany dia nanapa-kevitra ny hanatsara ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto an-toerana ny Kaominina Ambatolampy, tarihinβny Benβny TanΓ na Mika Rakotomalala sy ny ekipany.
Anisanβny hovaina sy havaozina aminβizany ny kianja filalaovana basket ao Antapotanana, fantatra aminβny anarana hoe βPiscineβ. Tafiditra ao anatinβny asa fanarenana ny fanatsarana ny kianja filalaovana, ny gradin, ary koa ny trano fidiovana, douche ary vestiaire.
Noho ireo asa fanamboarana ireo dia hampahafantarina ny rehetra fa hikatona mandritra ny 20 andro ny kianja βPiscineβ, mandra-pahavitanβny asa.
Nanentana ny mponina ihany koa ny tomponandraikitra mba hanaja sy hikojakoja ireo fananana iombonana, indrindra ireo fotodrafitrasa natao ho anβny tanora sy ny fanatanjahantena.
Marihina fa efa hatraminβizay no fantatra taminβny fanohanany ny tanora tia fanatanjahantena ny Benβny TanΓ na Mika Rakotomalala, ka tafiditra ao anatinβny vina fampandrosoana ny tanΓ na ny fanatsarana ireo toerana ara-panatanjahantena.
Mitondra ny teny filamatra hoe : βAmbatolampy tsy maintsy mandrosoβ ny kaominina aminβizao ezaka fanavaozana izao.




