Talata-Volonondry : Mpisoloky niafina tao ambadiky ny asa fanaovan-gazety, naiditra am-ponja vonjimaika

150 0
Naiditra am-ponja vonjimaika ireo olona telo mianaka voarohirohy ho nanao fisolokiana sy fitakiana vola tsy ara-dalàna tamin’ireo mpivarotra manamorona ny RN3, indrindra tao Ankazondady.
Araka ny fanazavan’ny Zandarmaria ao Talata-Volonondry, dia nilaza ho iraky ny Foiben-ketra eto Avaradrano ireo voarohirohy ary nanao fisavana taratasy “patente” tamin’ireo mpivarotra. Nampitahoriny sy norahonany ireo lasibatra mba hanerena azy ireo hanome vola.
Nandritra ny fisavana nataon’ny Zandary dia hita fa nampiasa karatra maha mpanao gazety sy “laissez-passer” tsy mifanaraka amin’ny “autocollant” ara-dalàn’ny OJM ireo voarohirohy mba hanamafisana ny fitaka nataony. Fantatra nandritra ny fanamarinana anefa fa tena mpanao gazety ilay lehilahy voakasika, saingy voalaza fa nomerao “matricule” an’olon-kafa no nampiasainy nandritra ny fisolokiana.
Nahitana akanjon’ny mpiasan’ny JIRAMA tao anatin’ilay fiara ihany koa, ka mampiahiahy ny mpanao famotorana fa mety efa nampiasaina tamina fisolokiana hafa izany.
Taorian’ny nisamborana azy ireo dia maro ireo olona tonga nametraka fitoriana. Efa mahatratra 15 ireo mpitory amin’izao fotoana izao, ary misy amin’izy ireo no very vola hatramin’ny 2 tapitrisa ariary.
Natolotra ny PAC etsy 67ha ny raharaha ny 11 mey 2026, ary naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’Avaradrano ireo voarohirohy, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Mitohy ny fanadihadiana.
Nangonin’lay Mahitsy

Related Post

🔺 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐅𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐙𝐀𝐎 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌𝐎𝐍𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐎𝐍𝐆 𝐂𝐎𝐃𝐄 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄🔺

Posted by - avril 10, 2024 0
👉𝑵𝒊𝒍𝒂𝒛𝒂 𝒓𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒂 𝑵𝒂𝒍𝒊𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑹𝒂𝒗𝒐𝒔𝒐𝒏 𝒕𝒂𝒍𝒆𝒏’𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑪𝒐𝒅𝒆 𝑴𝒆𝒏𝒂𝒃𝒆 𝒇𝒂 𝒏𝒊𝒉𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒍𝒂𝒕𝒔𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒇𝒊𝒅𝒚 𝒔𝒂𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒐𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂…

𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗠𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢 𝗡𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝟭𝟮 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢

Posted by - septembre 12, 2024 0
𝙷𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚊𝚏𝚒𝚜𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚙𝚘𝚕𝚒𝚝𝚒𝚔𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚏𝚊𝚗𝚓𝚊𝚔𝚊𝚗𝚊 𝚏𝚘𝚒𝚋𝚎 𝚜𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚛𝚊𝚢 𝚊𝚖𝚊𝚗-𝚍𝚛𝚎𝚗𝚢 𝚊𝚖𝚒𝚗’𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚏𝚒𝚍𝚒𝚛𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊𝚝𝚛𝚊 𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚊𝚛𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚖𝚙𝚘𝚛𝚒𝚜𝚒𝚑𝚊𝚗𝚊 𝚒𝚛𝚎𝚘…