TANÀNAN’I BEAKANGA – DISTRIKA MANDOTO | DAHALO 50 LAHY MIAKATRA MANAFIKA NY TANANA

459 0

DAHALO 50 LAHY MIAKATRA NY TANÀNAN’I BEAKANGA.🐂 Commune VASIANA, DISTRICT Mandoto. Ampidininareo aty zalahy Miaramila sy Gendarmes @ Camion ao Antananarivo ao e😤 Vao tsy ela akory no notokana ny POSTE AVANCÉ GENDARMERIE tao Beakanga, fa otrin fisehoana fotsiny ihany. Mijaly ny vahoaka Ambanivohitra 😌

Io no fitarainana ny Mponina any amin’io Kaominina io, amin’izao ora hanoratana izao indrindra dia tsampa tokoa fa miha mavaivay ny tsyy fandriampahalemana amin’iny tapany andrefana indrindra amin’ny Faritr’i Vakinankaratra iny, hany ka hila hiraviravy tanana ireo Tantsaha monina any.

Nisy tokoa ny fananganana Poste Avancé amin’ny toerana sasany, saingy tsy mahasakana ny halatr’omby hataon’ireo malaso izany. Noho izany dia mandry tsy lavo loha ny Mponina.

Antso no hataon’izy ireo hoan’ny Mpitondra mahefa mba hijerena manokana an’iny faritra iny, indrindra mahakasika an’ity tsy fandriamapahalemana ity.

 

Related Post

Distrikan’Ambatondrazaka | Akon’ny andron’ny 08 MARTSA

Posted by - mars 8, 2025 0
« 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧-𝐣𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐬𝐲 𝐳𝐚𝐭𝐨𝐯𝐨 𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 » Tsy nahasakana ny rehetra tsy hankalaza tao anatin’ny hafaliana sy…