JENERALY RAMAKAVELO DÉSIRÉ NAHAZO FAMPIANTSOANA ENY ANIVON’NY BC ANOSY

6 0
Antananarivo — Nahazo fampiantsoana ofisialy eny anivon’ny Borigady misahana ny heloka bevava (BC) ao Anosy ny Jeneraly Ramakavelo Désiré, androany maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany, araka ny loharanom-baovao akaiky ny raharaha.
Tsy mbola nisy fanazavana ofisialy nivoaka hatreto mikasika ny anton’izao fampiantsoana izao, na koa ny raharaha iantsoana azy.
Na izany aza, manaitra ny sain’ny maro ity hetsika ity, noho ny lanjan’ny andraikitra sy ny maha olona ambony toerana azy eo amin’ny sehatra miaramila.
Miandry ny fanazavana fanampiny avy amin’ny tompon’andraikitra sy ny vokatra hivoaka amin’ity raharaha ity ny mpanara-baovao, indrindra raha hisy fiantraikany amin’ny toe-draharaha ankapobeny eto amin’ny firenena izany.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝐀𝐧𝐨𝐬𝐢𝐳𝐚𝐭𝐨 𝐄𝐬𝐭 𝐈 – 𝐍𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐥𝐚𝐨 𝐛𝐚𝐨𝐥𝐢𝐧𝐚 𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚

Posted by - mars 18, 2026 0
Nahazo fanamiana vaovao ireo mpilalao baolina kitra ao amin’ny Fokontany Anosizato Est I, taorian’ny fandraisana andraikitra nataon’Andriamatoa Jean Nirina Rafanomezantsoa,…