Marary ao amin’ny Tobin’ny Zandarimaria ny Depiote Fetra fa tsy misy mahazo mitsidika azy !
_____________
Mpitsabo iray ihany no neken’ny zandary hiditra ao amin’ny Tobiny na dia maro aza ireo hitsidika an’ny Solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona izay voalaza fa marary amin’izao noho ireo nataon’ny mpirongo fitaovam-piadiana taminy.
Na dia nandresy lahatra mba hihaona aminy aza ireo Depiote namany sy Loholona ary Kandidà filoham-pirenena dia tsy nanaiky an’izany ny Kolonely Tojo izay nifampiresaka tamin’izy ireo teo amin’ny vavahady.
Tsy nisy nahazo niditra araka izany ankoatran’ilay mpitsabo iray eny na ny fianakaviany aza. Tsiahivina moa niteny mahery an’iity Kolonely ity noho ny faharatran’ny vehivavy iray vokatry ny baomba ny Solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona teny Antaninandro ny asabotsy 04 novambra teo.
Naneho tanteraka ny firaisankina sy ny fifanomezan-tànana ny Antoko TGV ao amin’ny Boriborintany fahaefatra, izay tarihin-dRamatoa Voahangy Bodo Ranalimalala, tamin’ny…
Zoma faha-10 Novambra 2023, nijery ny zavatra iainan’ny voafonja eto Ambilobe ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy…
Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975…