Tsingerin-taona nahaterahana | feno 88 taona niainana teto an-tany i Mama Tiana

12 0

Antananarivo, 28 Martsa 2026 โ€” Nankalaza ny faha-88 taonany taminโ€™ny fomba tsotra nefa feno hafaliana i ๐— ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ ๐—ง๐—ถ๐—ป๐—ฎ, na i Ramatoa ๐—ฅ๐—”๐—ง๐—ฆ๐—œ๐— ๐—•๐—”๐—Ÿ๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—ก ๐—•๐—ฎ๐—ธ๐—ผ๐—น๐˜†, ny sabotsy 28 martsa 2026 lasa teo. Fianakaviana sy havana akaiky no nikarakara ity lanonana ity, ho fanamarihana ny dianโ€™ity raiamandreny hajaina ity.

Natomboka taminโ€™ny fotoam-pivavahana ny fotoana, izay notarihinโ€™ny Mpitandrina Razafimandrato Dimisoa Daniel, ho fisaorana anโ€™Andriamanitra noho ny taona maro niainana sy ny fitahiana mbola iainana ankehitriny. Araka ny fanazavana azo, na dia 88 taona aza no voasoratra ara-panjakana, dia manodidina ny 90 taona ny tena niainanโ€™i Mama Tina, noho ny fahatarana taminโ€™ny famoahana ny kopia nahaterahany taminโ€™izany fotoana izany.

Taorianโ€™ny fotoam-pivavahana dia notohizana taminโ€™ny fiaraha-misakafo sy fifampiarahabana niarahanโ€™ny fianakaviana, mpiara-mivavaka ary ireo namana akaiky ny fankalazana. Nanjakain’ny hafaliana, ary nanamarika manokana ny fotoana ny fihirana ireo hira fahiny, izay mbola tadidinโ€™i Mama Tina hatraminโ€™izao. Araka ny nambaranโ€™i ๐‘๐š๐ฆ๐š๐ญ๐จ๐š ๐๐จ๐๐จ, zanany, dia vehivavy fakan-tahaka i Mama Tina : olona tso-po, tia manampy, ary reny nahavita nanabe ny zanany tamim-paharetana sy fitiavana, na dia teo aza ny fahabangana navelanโ€™ny fahalasananโ€™ny vadiny efa ela.

Ankehitriny, efa mivelatra sy miparitaka manerana ny firenena sy any ivelany ny taranany. Nofaranana taminโ€™ny fanapahana mofomamy, fizarana fanomezana ary fiaraha-mikorana ny lanonana. Ireo rehetra nanatrika dia samy nirary soa sy fahasalamana ho anโ€™ity raiamandreny ity, ary nangataka ny hitohizanโ€™ny fitahiana ho azy.

Bonne anniversaire , Mama Tina.

โ€” Nyh Gabriel

Related Post

๐“๐Ž๐‹๐ˆ๐€๐‘๐€ – ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Ž๐๐€๐-๐ƒ๐Ž๐‡๐€ ๐‡๐Ž ๐…๐€๐Œ๐€๐‡๐€๐๐€ ๐Ž๐‹๐€๐๐€ ๐Œ๐ˆ๐Š๐€๐’๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ-๐๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Œ๐€๐๐€.

Posted by - avril 11, 2025 0
๐“๐Ž๐‹๐ˆ๐€๐‘๐€ – ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Ž๐๐€๐-๐ƒ๐Ž๐‡๐€ ๐‡๐Ž ๐…๐€๐Œ๐€๐‡๐€๐๐€ ๐Ž๐‹๐€๐๐€ ๐Œ๐ˆ๐Š๐€๐’๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ-๐๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Œ๐€๐๐€. Ny lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian no mitarika ny delegasionina aty Toliara.…