NIRAVONA NY DISADISA TEO AMIN’NY FILANKEVITRA MONISIPALY ATO MORONDAVA : NANOMBOKA ANDROANY NY FOTOAM-PIVORIANA VOALOHANY

57 0
Taorian’ny fifanan-tonana sy fifampiresahana maro nifanesy ary fampiantsoana fivoriana maro avy amin’ny mpanolontsaina andaniny sy ankilany tonga teo amin’ny Prefektioran’ny Morondava dia nisy ny fivoriana izay natao tamin’ny Alatsinainy faha 16 Martsa lasa teo izay natao tao amin’ny biraon’ny filankevitraka monisipaly ka tapaka tamin’izany fa hanoy ny asany ireo mpanolontsainan’ny kaominina ary nampiantso fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona 2026 ity ny Préfet an’i Morondava Rafidison Fidèle izay natomboka androany Alakamisy 19 Martsa 2026 izany.
Ity fiantsoana ity dia mifototra amin’ireo dingana ara-pitantanana sy didy aman-dalàna mifehy ny kaominina, indrindra fa ny lalàna laharana 2014-020 momba ny fandrindrana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Tanjon’ny fivoriana ny hanamafy ny fitantanana mangarahara sy ny fanomanana ny asa ho an’ny taona.
Anisan’ny hifampidinihana mandritra ny fivoriana ny:
1 – Fanavaozana ny biraon’ny Mpanolotsaina izay notontosaina androany ka lany filoha hitarika ny filankevitraka monisipaly Andriamatoa SOLO MARSON , filoha lefitra kosa Andriamatoa GUILLEMOT , mpampiankan-teny voalohany Andriamatoa MARIANO raha Andriamatoa MICHAEL kosa no mpampiankan-teny faharoa.
2 – Fandinihana ny tatitra ara-bola sy ny kaonty administratif
3 -Raharaham-pitantanana sy fanapahan-kevitra samihafa mikasika ny kaominina
Mpikambana 12 tamin’ireo 13 no tonga nivory ary nitarika izany ny Ben’ny Tananan’ny kaominina ambonivohitra Morondava sy ny sekretera jeneran’ny kaominina
Hirariana mba hiravina amin’izay ny disadisa maro samy hafa ka hijery ny tombotsoan’ny Kaominina Ambonivohitry Morondava.
Eny enga anie mba tsy ho nohon’ny kajikajy politika hoy ireo mpanaram-baovao no ambadik’izao satria tsy fantatray ny tena marina tao ambadik’ireny disadisa sy ady fanalahidy ireny hoy ny mpanaram-baovao saingy vao niala teo amin’ny fitondrana ny filoha teo aloha Andry Rajoelina dia tsy fantatra izay tohiny sy vokatr’ireny fitoriana nifanaovan’ny andaniny sy ankilany ireo fa dia zao indray vao nivoaka iaby ireo mpanolontsaina .
✍️RA PA

Related Post

PREFECTURE TOLIARA

Posted by - mars 20, 2024 0
💥 Tonga hanamafy ny fiaraha miasa izay efa nisy nadritra ny 20 Taona ny Firenena Japone, amin’ny alalan’i ABE Koji…

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀.

Posted by - février 23, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀. — Miakatra 150ha ny tanim-bary voatondraka ankehitriny, ny…

B I A N C O TOLIARA

Posted by - décembre 10, 2023 0
B I A N C O TOLIARA 20 Taona androany no nanaovana ny fifanarahana Iraisam-pirenena entina hiadiana amin’ny kolikoly.  …