Antaninarenina – andron’ny Vehivavy sy ny ekolojika

206 0
Marihina mandritra ny roa andro eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, nanomboka ny 20 marsa ary hitohy ny 21 marsa, ny hetsika fampirantiana ho fankalazana ny Andron’ny Vehivavy Tantsaha Mpamokatra. Hetsika misokatra ho an’ny besinimaro izy ity, natao hanasongadinana ny anjara toerana raisin’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny famokarana sy ny fampiroboroboana ny teknika fambolena agroekolojika.
Mifototra amin’ny fampiasana akora voajanahary sy teknika manaja ny tontolo iainana ny fomba fambolena agroekolojika. Tsy miankina amin’ny fampiasana akora simika izy io, indrindra amin’ny fanatsarana sy fanamasahana ny tany, ka heverina ho iray amin’ireo lalana mankany amin’ny fambolena maharitra sy mahasalama.
Maherin’ny tranoheva 12 no mandray anjara amin’ity hetsika ity, mampiranty ireo vokatra azo avy amin’ny teknika agroekolojika. Ankoatra ny fampahafantarana ny fomba famokarana, dia sehatra ahafahan’ny mpamokatra mihaona mivantana amin’ny mpanjifa ihany koa ny hetsika, ka ahafahana manandratra ny vokatra avy eny ambanivohitra.
Nandritra ny lanonam-panokafana dia nanamafy ny Tale Jeneraly misahana ny Digitalisation, Gouvernance et Données eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana, Tojosonarimanana Navalona, fa zava-dehibe ny fanamafisana ny fampiasana ny teknika agroekolojika mba hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra sy hiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa. Nambarany fa mety hiteraka voka-dratsy amin’ny fahasalamana sy ny fanjariantsakafo ny fampiasana tafahoatra ny akora simika eo amin’ny fambolena sy fiompiana.
Nampiavaka ny lanonana ihany koa ny fanolorana fanamiana ho an’ireo vehivavy mpamokatra miompana amin’ny fiompiana omby fakana ronono, ho fanohanana azy ireo amin’ny asa fikarakarana ny sakafon’omby sy ny fanatsarana ny famokarana.
Fikambanana sy rafitra maro no nandray anjara tamin’ny hetsika. Anisan’izany ny Fikambanana FARM Madagasikara, izay nanome fanazavana momba ny ezaka sy ny ady sisika ataon’ny vehivavy tantsaha amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana zezika ekolojika. Nandray anjara ihany koa ny GSDM, izay nanazava bebe kokoa ny tombontsoa azon’ireo vondrona tantsaha mpikambana ao aminy amin’ny alalan’ireo fiofanana sy fanohanana maro samihafa omen’izy ireo.
Tafiditra tao anatin’ny hetsika ihany koa ny Ofisim-pirenena momba ny Fanjariantsakafo (ONN) sy ny Fikambanana AFAFI, izay nitondra fanazavana momba ny sakafo ara-pahasalamana ho an’ny vehivavy bevohoka sy ny zazakely. Eo amin’ny sehatry ny fambolena sy zaridaina ara-boajanahary kosa dia nandray anjara ny Faith Garden, mpanamboatra zaridaina mampiasa voly ahitra biolojika izay sady ampiasaina ho fanafody natoraly.
Tonga nanotrona ny lanonana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny ministera sy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny sehatra samihafa, anisan’izany ny solontenan’ny Fiadidian’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Amin’ny ankapobeny dia manome sehatra ho an’ny vehivavy tantsaha hanehoana ny traikefany sy ny vokatra vokariny ity hetsika ity, sady mamporisika ny fampiroboroboana ny fambolena manaja ny tontolo iainana sy miaro ny fahasalaman’ny mpanjifa.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

𝗕𝗲𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘇𝗮𝘇𝗮 𝘁𝗮𝗳𝗮𝘃𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮 𝘀𝗼𝗮 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘃𝗶𝗮𝗻𝘆

Posted by - juillet 16, 2026 0
𝗖𝗲𝗻𝘁𝗿𝗲 𝗢𝗽𝗲́𝗿𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗻𝗲𝗹 𝗔𝗻𝘁𝗶-𝗘𝗻𝗹𝗲̀𝘃𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝘀𝗮𝗿𝗶𝗮 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 : 𝗕𝗲𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘇𝗮𝘇𝗮 𝘁𝗮𝗳𝗮𝘃𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮 𝘀𝗼𝗮 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘃𝗶𝗮𝗻𝘆 Ho fanamafisana ny…