Antananarivo – Mangataka fanazavana amin’ny Conseil d’État ireo Mpanolotsain’ny Tanàna

410 0
Antananarivo – Tonga nametraka taratasy fangatahana teny amin’ny Conseil d’État androany ireo Mpanolotsain’ny Tanànan’Antananarivo, mangataka fanazavana na interprétation mikasika ny didy navoakan’ity andrim-panjakana ity ny 9 martsa 2026. Io didy io no mandidy ny hamerenana ny fifidianana ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ankoatra izany dia nangataka ihany koa izy ireo ny handikana mazava ny lalàna laharana 2024-002, andininy faha-130 (Vaovao), izay milaza fa: “Na manao ahoana na manao ahoana, ny delegasionina manokana dia tsy afaka misolo ny Filankevitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay manohy hatrany ny anjara asany.”
Nohamafisin’ireo mpanolotsaina fa tsy mitsipaka velively ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) izy ireo, satria didy farany sy tsy azo ivalozana izany. Araka ny fanazavan’izy ireo, ny fangatahana fandikana ny didy sy ny lalàna dia natao mba hanazavana ny fomba fampiharana azy, ho tombontsoan’ny tanànan’Antananarivo sy ho fanajana ny fitsipiky ny fisaraham-pahefana eo amin’ireo andrim-panjakana.
Nangonin’i Bevomaso

Related Post

Ny Kolonely Ratsimandrava Richard

Posted by - février 11, 2024 0
Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975…

𝐇𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐈𝐍𝐎𝐕𝐀𝐊𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐋𝐀𝐌𝐏𝐘, 𝐈𝐎 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐑𝐀𝐒𝐄𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀

Posted by - novembre 7, 2025 0
𝐇𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐈𝐍𝐎𝐕𝐀𝐊𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐋𝐀𝐌𝐏𝐘, 𝐈𝐎 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐑𝐀𝐒𝐄𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀…