π€π§π¨π¬π’π³πšπ­π¨ 𝐄𝐬𝐭 𝐈 – 𝐍𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐒𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐒π₯𝐚π₯𝐚𝐨 π›πšπ¨π₯𝐒𝐧𝐚 𝐀𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚

14 0
Nahazo fanamiana vaovao ireo mpilalao baolina kitra ao amin’ny Fokontany Anosizato Est I, taorian’ny fandraisana andraikitra nataon’Andriamatoa Jean Nirina Rafanomezantsoa, Filohan’ny Fokontany Anosizato Atsinana. Izy no nandray an-tanana ny fividianana sy ny fanjairana ireo akanjo fanamiana ho an’ireo tanora mpilalao.
Ny loko fotsy, mena ary maitso, mitovy amin’ny lokon’ny sainam-pirenena Malagasy, no voafidy ho an’ireo fanamiana vaovao ireo, ho mariky ny fitiavan-tanindrazana sy ny maha-Malagasy.
Araka ny fanazavana navoakany, dia tsy vao izao izy no nanohana ny fanatanjahantena eny anivon’ny Boriborintany fahaefatra, satria efa nisy hatramin’izay ny fizarana maillot sy survΓͺtement ho an’ireo mpilalao rugby sy baolina kitra. Nohamafisiny fa fanomezana natao tamim-pitiavana tanteraka, tsy misy sandany ary tsy misy kajy politika izany, fa asa soa natao hanohanana ny tanora sy hampiroboroboana ny fanatanjahantena.
Nampahatsiahiviny ihany koa, indrindra amin’izao Taom-baovao Malagasy izao, fa ny fitiavan-tanindrazana marina dia miseho amin’ny fanampiana ny Malagasy mpiray tanindrazana, ary tokony ho hita amin’ny asa sy fihetsika andavanandro toy ny fihavanana, fifanampiana, fifanajana ary firaisankina.
Nangonin’ Lay Mahitsy
Sary : Jean Nirina Rafanomezantsoa