Harilala Ramanantsoa |  Naneho ny fanajany ny didim-pitsarana

8 0

 Naneho ny fanajany ny didim-pitsarana sy ny fanapahan-kevitry ny andrim-panjakana ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, taorian’ny fanambarany fa handao ny andraikiny eo anivon’ny fitantanana ny renivohitra.

Tamin’ny hafatra natolony ho an’ny mponin’Antananarivo sy ny olom-pirenena Malagasy dia nilaza izy fa raisiny am-panajana tanteraka ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-panjakana, araka ny fitsipiky ny Fanjakana tan-dalàna. Nohamafisiny fa ao anatin’ny rafitra demokratika, ny fanajana ny andrim-panjakana sy ny didim-pitsarana no antoka iorenan’ny filaminana sy ny fitoniana eo amin’ny fiainam-pirenena.

Nambaran’i Harilala Ramanantsoa fa andraikitra mavesatra ny fitantanana ny renivohitr’i Madagasikara, satria mitondra ny lanjan’ny tantara, ny fanamby maro ary ny fanantenan’ny firenena manontolo. Na izany aza anefa dia naneho fireharehana izy noho ny fahafahana nanompo ny Tanànan’Antananarivo sy ny vahoaka ao aminy nandritra ny fotoana nitondrany.

Na dia eo aza ny fialany amin’ny andraikiny, dia nanazava izy fa hitohy hatrany ny fitantanana ny raharaham-panjakana andavanandro eo anivon’ny Tanànan’Antananarivo, miaraka amin’ny ekipan’ny kaominina sy ny mpiasan’ny CUA, mandra-pahatongan’ny famindram-pahefana araka ny lalàna sy ny fitsipika mifehy izany.

Nisaotra manokana ireo mpiasan’ny Tanànan’Antananarivo ihany koa izy noho ny ezaka sy ny fanoloran-tena nasehon’izy ireo, indrindra tamin’ny fanamafisana ny fanompoam-bahoaka sy ny fametrahana fitantanana mangarahara sy akaiky ny mponina, na teo aza ireo sakana sy olana sedraina.

Tsy hadinony ihany koa ny naneho fankasitrahana ireo mponin’Antananarivo, ireo mpifidy ary ireo rehetra nanohana ny asa sy ny ezaka nataon’ny Tanànan’Antananarivo nandritra ny fotoana nitondrany.

Ho an’ireo mpanolotsain’ny Tanàna avy amin’ny firehan-kevitra politika samihafa dia nambarany fa na dia nisy aza ny adihevitra mafana sy ny fahasamihafan’ny fomba fijery, dia niara-niasa hatrany izy rehetra tamin’ny tanjona iray, dia ny hanasoavana an’Antananarivo.

Nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka sy andrim-panjakana samihafa ihany koa ny tenany, izay niara-niasa tamin’ny Tanànan’Antananarivo ka nahafahana nanatanteraka tetikasa maro ho an’ny renivohitra.

Nohamafisin’i Harilala Ramanantsoa fa mbola maro ny fanamby miandry an’Antananarivo. Araka ny nambarany, mendrika ezaka sy firaisankina bebe kokoa ny renivohitra, ary mila vina matanjaka sy fiaraha-mientana afaka manandratra azy ho isan’ireo renivohitra manan-danja eto amin’ny faritra.

“Antananarivo dia tsy an’ny fe-potoam-piasana iray na an’olon-tokana, fa an’ny vahoaka ao aminy sy an’ny hoaviny,” hoy izy namarana ny hafany.

Natao dika et ambany ny fanambarany tao amin’ny Takelaky ny Kaominina Antananarivo

« Ry mponin’ Antananarivo,
Ianareo mpifidy sy olom-pirenena,
Tompokovavy sy Tompokolahy,
Tonga ny fotoana handaozako ny andraikitro eto amin’ny Tanànan’Antananarivo.
Ataoko am-panetren-tena izany, nefa koa am-pireharehana satria nahazo nanompo an’Antananarivo sy ny vahoaka ao aminy aho. Tsy raharaha tsotra ny mitantana ny renivohitr’i Madagasikara : andraikitra lehibe mitondra ny lanjan’ny tantara, ny fanamby maro ary ny fanantenan’ny firenena manontolo.
Ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Filankevi-panjakana dia raisiko amim-panajana tanteraka, satria ao anatin’ny fanajana ny Fanjakana tan-dalàna izany. Ao anatin’ny demokrasia, ny fanajana ny andrim-panjakana sy ny didim-pitsarana dia fototra iorenan’ny filaminana sy ny fitoniana eo amin’ny fiainam-pirenena.
Noho izany dia raisiko am-pahamatorana sy am-pitoniana io fanapahan-kevitra io. Mandritra izany fotoana izany, ny tenako miaraka amin’ny ekipan’ny Tanànan’Antananarivo sy ny mpiasan’ny CUA dia hanohy hiantoka ny fitantanana ny raharaham-panjakana andavanandro, mba hitohizan’ny asa sy ny fanompoam-bahoaka, mandra-pahatongan’ny fotoana hanaovana ny famindram-pahefana araka ny lalàna sy ny fitsipika mifehy izany.
Maneho fankasitrahana lalina ho an’ireo mpiasan’ny Tanànan’Antananarivo aho. Na teo aza ireo fahasahiranana sy sakana, dia nijoro ianareo ho mpandray anjara lehibe tamin’ny fanovana ny fomba fiasa, tamin’ny fanamafisana ny fanompoam-bahoaka ary tamin’ny fametrahana fitantanana mangarahara sy akaiky ny mponina.
Ho an’ny mponin’Antananarivo, ho an’ireo nifidy ahy sy ho an’ireo rehetra nanohana ny asan’ny Tanànan’Antananarivo : misaotra indrindra.
Ho an’ireo Mpanolotsain’ny Tanàna avy amin’ny firehan-kevitra politika samihafa dia tiako ambara fa na dia mafana sy henjana aza indraindray ny adihevitra, ary na dia tsy nitovy aza ny vina, dia nahay niara-nandroso isika tamin’ny tanjona iray : ny hanasoavana an’Antananarivo. Tao anatin’ny fahasamihafan’ny hevitra no nahitantsika hery hanorenana.
Misaotra ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka sy andrim-panjakana rehetra izay nanohana sy niara-niasa tamin’ny Tanànan’Antananarivo tao anatin’ny fifampitokisana. Ny fandraisan’izy ireo anjara dia nahafahana nanatanteraka tetikasa maro ho an’ny Renivohitra.
Mazava fa mbola maro ny fanamby miandry an’Antananarivo. Mendrika ezaka bebe kokoa, fahavononana bebe kokoa ary firaisankina bebe kokoa ny renivohitsika. Mendrika vina matanjaka sy fiaraha-mientana afaka manandratra azy ho isan’ireo renivohitra manan-danja eto amin’ny faritra misy antsika izy.
Satria Antananarivo dia tsy an’ny fe-potoam-piasana iray, na an’olon-tokana. An’ny vahoaka ao aminy izy, an’ny tantarany ary an’ny hoaviny.
Koa tohizantsika hatrany ny fandraisana andraikitra ho an’ny tanànantsika sy ny renivohitsika.
Ho an’i Madagasikara,
Ho an’Antananarivo,
Vohitry ny Arivolahy. »
Harilala RAMANANTSOA.

Related Post

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…