๐…๐€๐Œ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐๐€ ๐ˆ๐…๐Ž๐“๐Ž๐๐˜ : ๐Œ๐ˆ๐‘๐Ž๐’๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐‹๐€๐Œ๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐€๐™๐€๐•๐€ ๐๐˜ ๐ƒ๐ˆ๐’๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€๐โ€™๐€๐๐“๐€๐๐ˆ๐…๐Ž๐“๐’๐˜

317 0
Antanifotsy, 24 Febroary 2026 โ€“ Nifantoka taminโ€™ny fanamafisana ny fampandrosoana eny ifotony ny dinika notarihin-dRamatoa Ravaonirina Nathalie Sebastienne, Lehibenโ€™ny Faritra Vakinankaratra, niaraka taminโ€™ireo Benโ€™ny tanร na 14 ao aminโ€™ny Distrika Antanifotsy, ny talata 24 febroary 2026.
Dinika niompana taminโ€™ny zava-misy marina eny anivonโ€™ny kaominina tsirairay no natao, ka nentinโ€™ireo Benโ€™ny tanร na ny hetahetam-pampandrosoana sy ireo fitarainana maharary ny vahoaka. Noraisina an-tsoratra avokoa ireo soso-kevitra sy vina naroso, ary hifanaraka aminโ€™ny politikam-paritra mba hamolavolana drafitra fiasana mazava sy iombonana ho anโ€™ny distrika.
Lalana, sakana lehibe aminโ€™ny fandrosoana
Saika nitovy ny feonโ€™ireo Benโ€™ny tanร na mikasika ny faharatsian-dalana, izay heverina ho olana iombonana manakana ny fivezivezenโ€™ny olona sy ny entana, ary mampihisatra ny toekarena eny ambanivohitra.
Manoloana izany, nanamafy ny Lehibenโ€™ny Faritra fa ilaina ny fandrindrana hentitra aminโ€™ny fampiasana ireo fitaovana vaventy fanamboaran-dalana. Nambarany fa tokony hisy lamina mazava ahafahanโ€™ireo milina mijanona sy miasa ao aminโ€™ny Distrika mandra-pahavitanโ€™ny asa, mba hisorohana ny fanelingelenana sy ny fahatarana tsy ilaina.
Fiaraha-mientanโ€™ny sampandraharaha
Nanatrika ity fihaonana ity ihany koa ny Inspecteur anivonโ€™ny Faritra, ny Colonel Rafidison, ny Tale miandraikitra ny Fampandrosoana ara-toekarena (DDE) Atoa Lanto Randrianatoandro, ary ireo lehibenโ€™ny sampandraharaha dimy mianadahy.
Ny fisianโ€™izy ireo dia maneho fa ezaka iombonana sy mirindra eo aminโ€™ny rafi-panjakana no takiana mba hahatanteraka ireo vinam-pampandrosoana napetraka.
Araka ny fanehoan-kevitra, velom-bolo ireo Benโ€™ny tanร na satria afaka nampita mivantana ny hetahetanโ€™ny mponina aminโ€™ny tomponโ€™andraikitra voalohany eo anivonโ€™ny Faritra.
Mazava ny hafatra nivoaka taminโ€™ity fihaonana ity : tsy maintsy miorina aminโ€™ny fifampiresahana, fandrindrana ary fanatanterahana hentitra ny asa ny fampandrosoana maharitra. Ho anโ€™Antanifotsy sy Vakinankaratra, ny lalana arahina ankehitriny dia ny lalanโ€™ny fiaraha-mientana sy ny fahavononana hitondra fanovana azo tsapain-tanana ho anโ€™ny vahoaka.
Nangonin’ ‘Lay Mahitsy
๐Ÿ“ท๐‘บ๐™š๐’“๐™–๐’”๐™š๐’“๐™– ๐™‘๐’‚๐™ ๐’Š๐™ฃ๐’‚๐™ฃ๐’Œ๐™–๐’“๐™–๐’•๐™ง๐’‚

Related Post

๐—™๐—”๐—ก๐—ข๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—˜๐—ฃ๐—ฃ ๐— ๐—”๐—ก๐—”๐—ฅ๐—”- ๐—ฃ๐—˜๐—ก๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—ข๐—ž๐—ข๐—ก๐—ง๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—”๐— ๐—•๐—œ๐—ก๐—”๐—ก๐—œ๐—•๐—˜ – ๐—ž๐—ฎ๐—ผ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ง๐—ผ๐—น๐—ฎ๐—ด๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ- ๐—™๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—”๐—ป๐—ผฬ‚๐˜€๐˜†

Posted by - avril 20, 2024 0
FORT-DAUPHIN. ๐—™๐—”๐—ก๐—ข๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—˜๐—ฃ๐—ฃ ๐— ๐—”๐—ก๐—”๐—ฅ๐—”- ๐—ฃ๐—˜๐—ก๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—ข๐—ž๐—ข๐—ก๐—ง๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—”๐— ๐—•๐—œ๐—ก๐—”๐—ก๐—œ๐—•๐—˜ – ๐—ž๐—ฎ๐—ผ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ง๐—ผ๐—น๐—ฎ๐—ด๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ- ๐—™๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—”๐—ป๐—ผฬ‚๐˜€๐˜†   Araka ny programanโ€™asa ny fitondram-panjakana…

Ramatoa RASOLOARISOA Marie Marcelline | Fampiofanana manakaiky vahoaka

Posted by - dรฉcembre 8, 2024 0
๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐Ž๐…๐€๐๐€๐๐€ ๐Œ๐€๐๐€๐Š๐€๐ˆ๐Š๐˜ ๐•๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€. ยซย OLO MAHAY RAHA TSY VERY MANDEHAย ยป Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ยซย Fijery Hafaย ยป ho an’ny…