Tonga nitsidika ireo mpianatra zanakβi Vatovavy mianatra ao aminβny Oniversite Barikadimy, eto Toamasina, ny Solombavambahoaka voafidy tao Ifanadiana, Atoa Haja Dinah, nandritra ny fitsidihana nataony tato an-drenivohitrβi Atsinanana.
Taminβizany no nanolorany fanampiana mitentina 10.000.000 ariary ho tohana ireo mpianatra. Raha ny fanazavana nomeny, 4.000.000 ariary aminβizany dia avy aminβny Filohanβny Fanavaozana ny Repoblika, ary 6.000.000 ariary kosa avy aminy manokana aminβny maha-solombavambahoaka azy.
Ankoatra ny fanomezana ara-bola, dia nisy ihany koa ny hafatra fampaherezana nataony ho anβireo mpianatra. Nampirisika azy ireo izy mba hanohy hiezaka sy hifantoka aminβny fianarana, na dia eo aza ny fahasahiranana atrehinβny ankohonana sy ny fiainana andavanandro. βNy fahalalana no harena tsy mety ritraβ, hoy ny nambarany, ka nanamafisiny fa tsy fisehosehoana no anton-diany fa fanohanana avy aminβny fo sy finiavana hanampy ireo tanora ho tafita aminβny fianarana.
Nankasitraka ny hetsika kosa ireo solontenanβny mpianatra, nilaza fa manampy betsaka aminβny fiatrehana ny saram-pianarana sy ny fandaniana andavanandro izany fanomezana izany, indrindra aminβizao fotoan-tsarotra iainanβny maro izao.
Aminβny ankapobeny, hita fa mbola manan-danja aminβny fampandrosoana ny faritra ny fanohanana ireo tanora mpianatra, satria izy ireo no antenaina ho hery mpanangana ny rahampitso.




