π—™π—œπ—₯π—”π—œπ—¦π—”π—‘-π—žπ—œπ—‘π—” 𝗛𝗒 𝗔𝗑’π—œ π—§π—’π—”π— π—”π—¦π—œπ—‘π—” : π— π—£π—œπ—¦π—˜π—›π—”π—§π—₯𝗔 π—”π— π—œπ—‘’𝗑𝗬 π—›π—”π—œπ—‘π—’ π—©π—”π—žπ—¬ π—π—˜π—₯𝗬 𝗠𝗔𝗑𝗔𝗑𝗝𝗔π—₯𝗬, π—‘π—œπ—§π—’π—‘π——π—₯𝗔 π—§π—’π—Ÿπ—’-𝗧𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔

9 0

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny hetsika tolo-tanana ho fanampiana an’i Toamasina manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani ihany koa ny mpisehatra amin’ny haino aman-jery eto Mananjary, notarihin-dRtoa Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ato amin’ny faritra Vatovavy.

Androany no nitondran’izy ireo ny anjara birikiny ho mariky ny firaisan-kina sy fiombonam-po amin’ireo havana traboina any an-toerana, izay maneho fa mitoetra ho iray sy miray hina hatrany ny samy Malagasy rehefa sendra voina sy fahasahiranana.
✍️ Anicet Francisco FDM Mananjary

Related Post