TRANGA FAKANA ANKERINY TAO TAOLAGNARO : AVOTR’IREO ZANDARY I ERICO, JIOLAHY 4 VOASAMBOTR

173 0
Ramatoa iray efa malaza mpivarotra Zaza antsokosoko no namboraka avy hatrany ny fomba ratsin’izy ireo nandritry ny famotorana sy fisamborana ireo jiolahy naka ankeriny an’i Erico Zazalahy 10 taona, tao Tanambao I Taolagnaro Anôsy, ny 01 novambra 2023.
 
Noho ny hakingana sy fahaizamanaon’ireo Zandary Mpanao famotorana dia ny ampitson’io ihany ireo jiolahy miisa 4 dia voasambotra tany Tsiharoa / Mahatalaky distrika Taolagnaro.
 
Mitohy ny famotorana lalina saingy efa avoaka etoana mba hitandreman’ireo Ray aman-dReny sahady ny amin’ny mba hanaramaso lalandava ny ankizy amin’izao fotoam-pialantsasatra fohy izao fa ny ratsy tsy kely lalana.
 
PS: nalaina tao amin’ny takelaka manokana ny InfoCom Seg

Related Post

𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚

Posted by - janvier 16, 2024 0
𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚   Mitombo ihany ny faharatsiana Ary mampitaraina ny mpampiasa ny lalana ,…