π…πˆπŠπ€πŽππ€π-πƒπŽπ‡π€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€: 𝗧𝗦𝗬 π—‘π—œπ—¦π—¬ 𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗦𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 π—™π—œπ—Ÿπ—’π—›π—” π—§π—˜π—’ π—”π—Ÿπ—’π—›π—” 𝗔𝗑𝗗π—₯𝗬 π—₯π—”π—π—’π—˜π—Ÿπ—œπ—‘π—”

389 0

Tao anatin’ny fanambarana nataony no nandisoan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Mpitondra Tenin’ny Governemanta GASCAR Fenosoa ny vaovao miely amin’izao fotoana izao fa nasaina ho avy amin’ny fikaonan-doham-pirenena hotontosaina manomboka rahampitso ny filoha teo aloha Andry RAJOELINA.

Nambarany fa tsy ireo mpitondra fivavahana mitarika ny FFKM amin’izao fotoana izao no nanao izany fanambarana izany fa mpikambana ao amin’ny FFKM tsotra, tsy manana ny fahefana hanao izany. Nanao antso ihany koa ny tenany ny amin’ny famerenana sy fanamafisana ny andrimasom-pokonolona noho ny fisian’ireo endrika fanakorontanana misy amin’izao fotoana izao. Arahl ato anatin’ny horonantsary ny fanazavana feno.

 

Related Post

FAMPIELEZAN-KEVITRA π€πŒππ€ππˆπ‡π˜ 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
π„πŸπšπ­π«πš 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐒π₯𝐚𝐭𝐬𝐚𝐀𝐚 𝐑𝐨 𝐟𝐒𝐝𝐒𝐧𝐚 𝐑𝐨 𝐬𝐨π₯π¨π¦π›πšπ―πšπ¦π›πšπ‘π¨πšπ€πš 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§’𝐒 π€π¦π©πšπ§π’π‘π² 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐑𝐒𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐀𝐨𝐦𝐒𝐧𝐒𝐧𝐚 19 π“π¨πžπ«πšπ§πš 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐑𝐒𝐟𝐚𝐧𝐒𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…