Fiaraha-miasa vaovao hampiroborobo ny fianarana sy ny fidirana aminโny teknolojia
Ambatolampy โ Natao ho fanohanana ireo mpianatra sy tanora aminโny sehatry ny fianarana sy fikarohana, dia nampidirina taminโny fomba ofisialy ny internet maimaim-poana ao aminโny Commune Urbaine Ambatolampy, vokatry ny fiaraha-miasa teo aminโny Benโny Tanร na Mika Rakotomalala sy ny Mouvement GASIKARA.
Nanolotra Starlink V4 miisa roa ny fikambanana, izay napetraka ao aminโny Tranomboky Haute Ville sy eo aminโny Tsangambato, ary efa natomboka ny fampiasana azy nanomboka taminโny Alarobia lasa.
๐๐ซ๐ ๐๐๐ฆ๐ฉ๐ข๐๐ฌ๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐ข๐ง๐ญ๐๐ซ๐ง๐๐ญ ๐ฆ๐๐ข๐ฆ๐๐ข๐ฆ-๐ฉ๐จ๐๐ง๐ :
Alarobia : 1 ora sy 30 โ 5 ora hariva
Alakamisy : 1 ora sy 30 โ 5 ora hariva
Zoma : 1 ora sy 30 โ 5 ora hariva
Sabotsy : 8 ora maraina โ 5 ora hariva
Ity tetikasa ity dia tanjona hanamaivanana ny fandaniana sy ho fanohanana akaiky ireo mpianatra mila loharanom-baovao aminโny fianarany. Tafiditra ao anatinโny paikady lehibe hampiroboroboana ny fidirana aminโny teknolojia manerana ny kaominina izy io.
๐
๐๐ง๐จ๐ก๐๐ง๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐ญ๐ซ๐๐ง๐จ๐ฆ๐๐จ๐ค๐ฒ ๐ฌ๐ฒ ๐๐๐ง๐๐ฏ๐๐จ๐ณ๐๐ง๐
Nandritra ny fitsidihana natao tao aminโny tranomboky, dia nambaranโny tomponโandraikitra fa hanampy ny kaominina aminโny fanavaozana sy fanatsarana ny tranomboky ny Mouvement GASIKARA.
Nanamafy ihany koa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, fa hanolotra boky sy fitaovana fanampiny ho fanohizana hatrany ny fananganana kolontsaina vakiboky eto an-toerana.
๐
๐๐ง๐ค๐๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐๐ก๐๐ง๐
Nisaoranโny kaominina manokana :
Ny Lehibenโny Distrika Ambatolampy
Ny Ministeranโny Serasera sy ny Kolontsaina
Ny Mouvement GASIKARA
Ireo Depiote
Ireo mpampianatra sy mpianatra tonga maro, na dia tsy nitsitsy orana aza
Ary ny ekipanโny Commune Urbaine Ambatolampy




