Fiaraha-miasa vaovao hampiroborobo ny fianarana sy ny fidirana aminβny teknolojia
Ambatolampy β Natao ho fanohanana ireo mpianatra sy tanora aminβny sehatry ny fianarana sy fikarohana, dia nampidirina taminβny fomba ofisialy ny internet maimaim-poana ao aminβny Commune Urbaine Ambatolampy, vokatry ny fiaraha-miasa teo aminβny Benβny TanΓ na Mika Rakotomalala sy ny Mouvement GASIKARA.
Nanolotra Starlink V4 miisa roa ny fikambanana, izay napetraka ao aminβny Tranomboky Haute Ville sy eo aminβny Tsangambato, ary efa natomboka ny fampiasana azy nanomboka taminβny Alarobia lasa.
ππ«π πππ¦π©π’ππ¬ππ§π π§π² π’π§πππ«π§ππ π¦ππ’π¦ππ’π¦-π©π¨ππ§π :
Alarobia : 1 ora sy 30 β 5 ora hariva
Alakamisy : 1 ora sy 30 β 5 ora hariva
Zoma : 1 ora sy 30 β 5 ora hariva
Sabotsy : 8 ora maraina β 5 ora hariva
Ity tetikasa ity dia tanjona hanamaivanana ny fandaniana sy ho fanohanana akaiky ireo mpianatra mila loharanom-baovao aminβny fianarany. Tafiditra ao anatinβny paikady lehibe hampiroboroboana ny fidirana aminβny teknolojia manerana ny kaominina izy io.
π
ππ§π¨π‘ππ§ππ§π π§π² ππ«ππ§π¨π¦ππ¨π€π² π¬π² πππ§ππ―ππ¨π³ππ§π
Nandritra ny fitsidihana natao tao aminβny tranomboky, dia nambaranβny tomponβandraikitra fa hanampy ny kaominina aminβny fanavaozana sy fanatsarana ny tranomboky ny Mouvement GASIKARA.
Nanamafy ihany koa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, fa hanolotra boky sy fitaovana fanampiny ho fanohizana hatrany ny fananganana kolontsaina vakiboky eto an-toerana.
π
ππ§π€ππ¬π’ππ«ππ‘ππ§π
Nisaoranβny kaominina manokana :
Ny Lehibenβny Distrika Ambatolampy
Ny Ministeranβny Serasera sy ny Kolontsaina
Ny Mouvement GASIKARA
Ireo Depiote
Ireo mpampianatra sy mpianatra tonga maro, na dia tsy nitsitsy orana aza
Ary ny ekipanβny Commune Urbaine Ambatolampy




