FIANARANTSOA :Fisaorana sy Fankasitrahana

9 0
Tamin’ny alalan’ny hetsika ยซย Fitia tsy mba hetraย ยป notanterahin’ny Groupe Mikalo, antoko mpihira natsangan’i Saholy tao amin’ny Oratorio Don Bosco Ankofafa, dia naneho firaisankina sy fitiavana ny maro, ho fanohanana aminโ€™ny fitsaboana azy aminโ€™izao tsy fahasalamany izao.
Taminโ€™ny tolakandron’ny alahady 30 Novambra 2025, no notontosaina tao amin’ny Oratorio Don Bosco Ankofafa, Fianarantsoa,ny tolo-tanana, ka ankasitrahana ny vita, hoy ny fianakaviana.
ยซย Isaorana manokana ireo rehetra nahafoy fotoana, angovo, sy fanohanana ara-pitaovana, taminโ€™ny fanatanterahana ity hetsika feno fitiavana ity.ย ยป
Atoa Bertrand Michel, anadahinโ€™i Saholy, no nitondra ny teny fisaorana ho anโ€™ny rehetra.
Fanehoam-pitiavana sy fankasitrahana ho anโ€™i Saholy
โ€œEfa fotoana lavalava izay no tsy salama ny zanako,โ€ hoy Atoa Pierre Michel, Rain’i Saholy, tamim-pahatsorana .Taminโ€™ny teny fohy, no nanehoany ny fankasitrahany aminโ€™ny fahafoizan-tenanโ€™ireo rehetra nanohana sy mbola manohana anโ€™i Saholy.
Eo koa moa ireo namana mpiara-miasa ao aminโ€™ny Onjapeo Tsiry 105 FM Fianarantsoa, izay tsy misaraka aminโ€™ny hetsika sy fiatrehana n’y fanohanana amin’izao sedra ara-pahasalamana LALOVAN’ny Namana Saholinirina izao. Nambaranโ€™izy ireo fa vonona hatrany ny hanohana sy hiara-dia aminโ€™i Saholy mandra-pahasitranany tanteraka.
โ€œManantena ny hiverenanโ€™ny heriny izahay, hifankahita aminโ€™ny onjam-peo sy aminโ€™ny asa iombonana indray,โ€ hoy izy ireo amim-pitiavana.
Nangonin’i Ando RAFAHATELO

Related Post

Ady aminโ€™ny famarinanโ€™olombelona sy asa an-tery mifandraika aminโ€™ny fanandevozana

Posted by - novembre 5, 2025 0
๐‘๐€๐‡๐€๐‘๐€๐‡๐€ ๐…๐€๐๐€๐‘๐€๐‘๐€๐Ž๐“๐€๐๐€ ๐“๐„๐‘๐€-๐“๐€๐๐˜ ๐Œ๐€๐‹๐€๐†๐€๐’๐˜ ๐๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐Ž๐•๐ˆ๐๐€ ๐€๐’๐€ ๐€๐-๐“๐„๐‘๐ˆ๐•๐Ž๐™๐Ž๐๐€ ๐“๐€๐๐˜ ๐‚๐€๐Œ๐๐Ž๐ƒ๐†๐„ : ๐‹๐„๐‡๐ˆ๐‹๐€๐‡๐˜ ๐ˆ๐‘๐€๐˜ ๐•๐Ž๐€๐’๐€๐Œ๐๐Ž๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐๐Ž๐‹๐ˆ๐’๐ˆ๐Œ๐๐ˆ๐‘๐„๐๐„๐๐€ ๐€๐‘๐˜ ๐„๐…๐€ ๐๐ˆ๐ƒ๐Ž๐๐Ž๐Š๐€ ๐€๐Œ-๐๐Ž๐๐‰๐€. Ady…

๐—™๐—œ๐—ง๐—ข๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐—ฅ๐—”-๐——๐—ฅ๐—”๐—ญ๐—”๐—ก๐—”

Posted by - juin 16, 2025 0
๐“๐ฌ๐ฒ ๐ž๐ค๐ž๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ฃ๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐จ๐ฆ๐›๐š๐ง-๐๐ซ๐š๐ณ๐š๐ง๐š ๐ค๐š๐ฌ๐š๐ข๐ง’๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ก๐š๐ง๐š๐ง๐๐ซ๐š๐ญ๐ซ๐š ๐€๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐ฃ๐š๐ค๐š ๐š๐จ ๐๐ž๐ฅ๐จ ๐ฌ๐ฎ๐ซ ๐“๐ฌ๐ข๐ซ๐ข๐›๐ข๐ก๐ข๐ง๐š Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…