π“π€πŽπŒ-ππˆπŽπ“π€π™π€ππ€ π‹π„π“π‚π‡πˆ πŸπŸŽπŸπŸ“

21 0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany Sabotsy 15 Novambra 2025 ny Guichet Unique ao anatin’ny Lapan’ny Faritra Atsinanana. Ity rafitra ity dia natao hanamora sy hanamailo kokoa ny fandraisan’andraikitry ny sampandraharaha rehetra tafiditra amin’ny fanangonana sy fanondranana letchi, mba hanamafisana ny fahaiza-mitantana sy hampihenana ny olana teknika sy ara-pitantanana mandritra ny taom-piotazana.
Tonga nijery sy nandinika akaiky ny fizotry ny asa ao an-toerana ireo Mpanolo-tsaina Avo momba ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, notarihin’i Colonel Gervais ANDRIAMIARISOA. Nandinika ny fomba fampandehanana ny Guichet Unique izy ireo, indrindra fa ny fomba ifanarahan’ireo mpandraharaha sy ny sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ara-teknika, ny kalitao ary ny fanondranana.
Nandritra ny fivoriana sy fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra, dia nanome toromarika hentitra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny GEL (Groupement des Exportateurs de Letchi) ny delegasiona, indrindra ireo miandraikitra ny fanangonana sy fitaterana ny vokatra. Nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny:
Fifampitsinjovana sy fifanajana eo amin’ireo mpanangom-bokatra sy ny mpandraharaha,
Fiarovana ny kalitaon’ny letchi, izay tena manan-danja amin’ny tsena iraisam-pirenena,
Fandaminana hentitra amin’ny fitaterana sy fanangonana, mba hisorohana ny fahatarana sy ny fahapotehan’ny vokatra.
Nampitaina ihany koa ny antso avo momba ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana mandritra ny vanim-potoanan’ny piotazana. Araka ny nambaran’i Colonel ANDRIAMIARISOA, β€œtsy maintsy misy ny fandriam-pahalemana mba hahafahan’ny orinasa miasa am-pilaminana ary hahazoana vokatra avo lenta entina ivelan’ny firenena”.
Fantatra fa efa misokatra tsikelikely ny tsena any ivelany, indrindra any Eoropa, ka ilaina ny fitandremana ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny kalitao sy ny famonosana. Ny Guichet Unique dia natao indrindra hanamora izany fifandraisana sy fanaraha-maso izany.
Nangonin ‘Lay Mahitsy
πŸ“· : sary fanehoana

Related Post