๐“๐€๐Ž๐Œ-๐๐ˆ๐Ž๐“๐€๐™๐€๐๐€ ๐‹๐„๐“๐‚๐‡๐ˆ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“

135 0
Nisokatra taminโ€™ny fomba ofisialy androany Sabotsy 15 Novambra 2025 ny Guichet Unique ao anatinโ€™ny Lapanโ€™ny Faritra Atsinanana. Ity rafitra ity dia natao hanamora sy hanamailo kokoa ny fandraisanโ€™andraikitry ny sampandraharaha rehetra tafiditra aminโ€™ny fanangonana sy fanondranana letchi, mba hanamafisana ny fahaiza-mitantana sy hampihenana ny olana teknika sy ara-pitantanana mandritra ny taom-piotazana.
Tonga nijery sy nandinika akaiky ny fizotry ny asa ao an-toerana ireo Mpanolo-tsaina Avo momba ny Fanavaozana ny Repoblikanโ€™i Madagasikara, notarihinโ€™i Colonel Gervais ANDRIAMIARISOA. Nandinika ny fomba fampandehanana ny Guichet Unique izy ireo, indrindra fa ny fomba ifanarahanโ€™ireo mpandraharaha sy ny sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ara-teknika, ny kalitao ary ny fanondranana.
Nandritra ny fivoriana sy fifanakalozan-kevitra niarahana taminโ€™ireo tomponโ€™andraikitra, dia nanome toromarika hentitra ho anโ€™ireo mpikambana ao aminโ€™ny GEL (Groupement des Exportateurs de Letchi) ny delegasiona, indrindra ireo miandraikitra ny fanangonana sy fitaterana ny vokatra. Nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny:
Fifampitsinjovana sy fifanajana eo aminโ€™ireo mpanangom-bokatra sy ny mpandraharaha,
Fiarovana ny kalitaonโ€™ny letchi, izay tena manan-danja aminโ€™ny tsena iraisam-pirenena,
Fandaminana hentitra aminโ€™ny fitaterana sy fanangonana, mba hisorohana ny fahatarana sy ny fahapotehanโ€™ny vokatra.
Nampitaina ihany koa ny antso avo momba ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana mandritra ny vanim-potoananโ€™ny piotazana. Araka ny nambaranโ€™i Colonel ANDRIAMIARISOA, โ€œtsy maintsy misy ny fandriam-pahalemana mba hahafahanโ€™ny orinasa miasa am-pilaminana ary hahazoana vokatra avo lenta entina ivelanโ€™ny firenenaโ€.
Fantatra fa efa misokatra tsikelikely ny tsena any ivelany, indrindra any Eoropa, ka ilaina ny fitandremana ny fenitra iraisam-pirenena aminโ€™ny kalitao sy ny famonosana. Ny Guichet Unique dia natao indrindra hanamora izany fifandraisana sy fanaraha-maso izany.
Nangonin ‘Lay Mahitsy
๐Ÿ“ท : sary fanehoana

Related Post

๐— ๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ญ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”-๐Ÿฎ๐Ÿฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—˜๐—ฆ๐—œ๐—”

Posted by - fรฉvrier 19, 2026 0
๐…๐€๐๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐Œ๐๐€๐๐€๐Ž ๐†๐€๐™๐„๐“๐˜ ๐€๐ง๐ญ๐š๐ง๐š๐ง๐š๐ซ๐ข๐ฏ๐จ, ๐Ÿ๐Ÿ– ๐…๐ž๐›๐ซ๐จ๐š๐ซ๐ฒ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” ๐Ÿฎ๐Ÿฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐—ก๐—”๐—ก๐—ข๐— ๐—ฃ๐—ข๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ฆ๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ฆ๐—”: ๐— ๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ญ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”-๐Ÿฎ๐Ÿฌ ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ…