CEG ANKADIKELY : VITA NY ASA FANAMBOARANA NY TOKONTAN-TSEKOLY

492 0

Noho ny fiara-miasa sy ny fiaraha-mientana teo amin’ireo tompon’andraikitra eto amin’ny CEG Ankadikely sy ny FEFFI ary ny fiadidian’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy dia vita soa aman-tsara ny fanamboarana ho simenitra (Béton) ny tokontan’ny sekoly. Natao izao ezaka izao ho fiarovana ireo mpianatra amin’ny vovoka sy ho fanomezana endrika mahafinaritra ho an’ny sekoly.

Nezahina moa ny namita ny asa nandritry ny fialan-tsasatry ny mpianatra. Isaorana noho izany ny rehetra amin’ny fifanomezan-tanana. Marihina fa fanomezana ireo simenitra no anjara biriky nentin’ny Kaominina tamin’izao asa izao izay isaorana manokana ny Ben’ny tanana Rija Rajonah sy ny fiadidian’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy namaly ny hetahetan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ny Talean-tsekoly.

« Isika rehetra miray hina, mananjara amin’ny Fampandrosoana »

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…