CEG ANKADIKELY : VITA NY ASA FANAMBOARANA NY TOKONTAN-TSEKOLY

205 0

Noho ny fiara-miasa sy ny fiaraha-mientana teo amin’ireo tompon’andraikitra eto amin’ny CEG Ankadikely sy ny FEFFI ary ny fiadidian’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy dia vita soa aman-tsara ny fanamboarana ho simenitra (Béton) ny tokontan’ny sekoly. Natao izao ezaka izao ho fiarovana ireo mpianatra amin’ny vovoka sy ho fanomezana endrika mahafinaritra ho an’ny sekoly.

Nezahina moa ny namita ny asa nandritry ny fialan-tsasatry ny mpianatra. Isaorana noho izany ny rehetra amin’ny fifanomezan-tanana. Marihina fa fanomezana ireo simenitra no anjara biriky nentin’ny Kaominina tamin’izao asa izao izay isaorana manokana ny Ben’ny tanana Rija Rajonah sy ny fiadidian’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy namaly ny hetahetan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ny Talean-tsekoly.

« Isika rehetra miray hina, mananjara amin’ny Fampandrosoana »

Related Post

Antoko Tiako i Madagasikara | Namboly hazo teny Imerinkasinina

Posted by - février 3, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐒𝐎𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐂 𝐑𝐀𝐕𝐀𝐋𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 Androany, nandritra ny fambolen-kazo, izay…