Kandida N°03 tao Antsirabe

263 0

Hiraikitra lalandava ato am-poko ity fotoana niarahantsika teto #Antsirabe ity. Tsy nahasakana antsika ny orana nikija. Izao ilay tena hoe tia amin’ny fo manontolo. Tia ahy ianareo eto Antsirabe, izaho koa dia tia anareo manokana. Satria teto no tanana nahaterahako, teto no tananan’ny fahazazako.

Tsy ho voatanisa ireo rehetra naorintsika teto. Nahakasika ny sehatra sy ny sokajin’olona rehetra izany. Maro ihany koa ireo efa natomboka ary isika no tsy maintsy hamarana izany.
Hita maso teto tokoa fa na inon-kidona, na inon-kihatra, na orana mikija, eny fa na hisy tafiotra mafy aza dia tsy misy afaka hampisaraka antsika. Hiaraka amiko ianareo, izaho koa hiaraka aminareo hampandroso an’i Madagasikara.

𝗜𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗶𝗻𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝘀𝘆
#MadagasikaraTsyMaintsyMandroso

Related Post

𝔽𝕀𝕋𝕊𝔸ℝ𝔸ℕ𝔸, ℕ𝕐 𝕆𝕃𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝔹𝕆𝕂𝕐 ℝ𝕆𝕍𝕀𝕋ℝ𝔸

Posted by - avril 17, 2024 0
𝐀𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐢𝐦𝐚𝐬𝐨𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐟𝐢-𝐩𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲, 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲…