๐“๐’๐˜ ๐‡๐ˆ๐’๐˜ ๐๐€๐’๐„ ๐Œ๐ˆ๐‹๐ˆ๐“๐€๐ˆ๐‘๐„ ๐…๐‘๐€๐๐“๐’๐€๐ˆ๐’ ๐ˆ๐๐“๐’๐Ž๐๐˜ ๐€๐Ž ๐€๐๐“๐’๐ˆ๐‘๐€๐๐€๐๐€, ๐‡๐Ž๐˜ ๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐•๐€๐Ž๐•๐€๐Ž ๐๐˜ ๐…๐Ž๐‹๐Ž๐€๐‹๐ˆ๐๐ƒ๐€๐‡๐˜

112 0

Nandritra ny fifamindram-pitantanana teo aminโ€™ny Minisitry ny Foloalindahy teo aloha sy ny Minisitra vaovao dia nanambara am-pahibemaso ny Minisitra vaovao fa โ€œtsy asiana base militaire frantsay intsony ao Antsiranana.โ€

Io fanambarร na io, hoy izy, dia maneho mazava ny fijoroanโ€™ny Tafika Malagasy aminโ€™ny fiarovana tanteraka ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantena, ary famaliana ihany koa ny hetahetanโ€™ny vahoaka aminโ€™ny fanamafisana ny fahavononana sy ny fahaleovan-tenanโ€™ny hery fiarovana.
Notsindriany manokana fa hamafisina ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa eo aminโ€™ny Tafika sy ny Zandary, mba hahatongavana aminโ€™ny hery miaro mahomby sy miray tanjona.

Nanambara ihany koa ny Minisitra fa hisy fanovana rafitra hatao ao anatinโ€™ny Ministera, araka ny fitakianโ€™ny vahoaka sy ny fivoaranโ€™ny teknolojia sy ny tontolo ara-piarovana ankehitriny.

Tanjona aminโ€™izany ny hanamafisana bebe kokoa ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy, ny fampihenana ny asan-dahalo, ary ny fampanajana ny lalร na sy ny filaminam-bahoaka.

ยซ ๐‘ป๐™จ๐’š ๐’‰๐™ž๐’”๐™ฎ ๐™—๐’‚๐™จ๐’† ๐’Ž๐™ž๐’๐™ž๐’•๐™–๐’Š๐™ง๐’† ๐’‡๐™ง๐’‚๐™ฃ๐’•๐™จ๐’‚๐™ฎ ๐™ž๐’๐™ฉ๐’”๐™ค๐’๐™ฎ ๐™š๐’•๐™ค ๐™ˆ๐’‚๐™™๐’‚๐™œ๐’‚๐™จ๐’Š๐™ ๐’‚๐™ง๐’‚.
๐™๐’‚๐™›๐’Š๐™ ๐’‚ ๐‘ด๐™–๐’๐™–๐’ˆ๐™–๐’”๐™ฎ ๐™๐’ ๐’‚๐™ฃโ€™๐™ฃ๐’š ๐‘ด๐™–๐’๐™–๐’ˆ๐™–๐’”๐™ฎ. ยป
โ€” ๐˜ฉ๐˜ฐ๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜”๐˜ช๐˜ฏ๐˜ช๐˜ด๐˜ช๐˜ต๐˜ณ๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ฐ๐˜ข๐˜ญ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ฅ๐˜ข๐˜ฉ๐˜บ ๐˜ท๐˜ข๐˜ฐ๐˜ท๐˜ข๐˜ฐ.

Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post