๐๐ฎ๐ป๐ผ๐ฟ๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ : ๐ง๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ๐ฒ ๐ถ๐๐ฎ๐ผ ๐บ๐ถ๐ต๐ถ๐๐๐ ๐๐ฒฬ ๐ฟ๐ ๐ ๐ฝ๐ถ๐๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ ๐ณ๐ถ๐น๐ฎ๐บ๐ถ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ผ ๐๐ฎ๐ฟ๐ ๐๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐ต๐ฎ๐๐ฒ๐ต๐ผ๐ป๐ฎ๐ ??
Tovovavy mpianatra iray eny aminโny Anjerimananontolo, ao aminโny faritra Fianarantsoa, no voasambotry ny zandary io maraina io, araka ny vaovao azo avy aminโny loharanom-baovao eo an-toerana.
Nambaranโireo nanatri-maso fa norahonana, nompaina ary notaritaritina toy ny jiolahy tratra an-tanana ity tovovavy ity nandritra ny fisamborana, zava-nitranga izay niteraka fanehoan-kevitra sy fanehoan-kevitra feno ahiahy teo aminโny mpiara-mianatra aminy.
Fantatra fa isanโireo mpianatra nandray anjara taminโny hetsika fitakiana ny zonโizy ireo ity tovovavy lasibatry ny herisetra ity. Tsy mbola nisy hatreto ny fanazavana ofisialy navoakanโny tomponโandraikitra mikasika ny antony sy ny fepetra noraisina taorianโny fisamborana.
Mitaky fampahafantarana mazava sy fanadihadiana tsy mitanila ireo mpiara-mianatra sy ny fianakavianโilay tovovavy, manoloana ny tranga izay lazainโizy ireo fa manohintohina ny zonโolombelona sy ny fiarovana ny mpianatra.