FIER-MADA 2025 – Andiany faha-26 : Ambatovy manohana ny tanora mpandraharaha sy ny tantsaha

33 0

Nandray anjara tamin’ny FIER-MADA 2025 ny Ambatovy niaraka tamin’ireo solontenan’ny tantsaha sy tanora mpandraharaha 10 avy any Moramanga, Brickaville ary Toamasina. Tanjona ny hampiroborobo ny vokatra eny ifotony sy hanamora ny fidirana amin’ny tsena nasionaly sy iraisam-pirenena.
Mihoatra ny 2 500 ireo tantsaha (70% vehivavy) tohanan’i Ambatovy amin’ny alalan’ny fiofanana ara-teknika, fitaovana ary rafitra tahiry sy fifampindramam-bola (VSLA)
Efa misy ny fandrosoana hita sy ny fahafahana mifanakalo traikefa amin’ny tantsaha avy amin’ny faritra hafa hatramin’ny niarahana tamin’ny Orinsa Ambatovy hoy ireo Mpisitraka.
Lohahevitra lehibe tamin’ny FIER-MADA 2025 : « Apetaka eny amin’ny tsenan’ny kaominina ireo lalam-barotra anatiny sy ivelany ho fampivelarana ny famokarana eny ambanivohitra »
Ny fidirana amin’ny tsena no antoky ny fandrosoana sy fialana amin’ny fahantrana.
✍️Juanita RAKOTOARIVAO

Related Post

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…