BNGRC : HATSARAINA NY DRAFITRY NY VONJY TAITRA NASIONALY MANOLOANA NY RIVO-DOZA SY NY RANOBE..

413 0

Notanterahina ny 2 sy ny 3 novambra 2023 tao amin’ny Hotely IBIS Ankorondrano ny atrik’asa  fanatsarana ny drafitry ny vonjy taitra nasionaly ho an’ny rivodoza sy ny ranobe 2023-2024 sy ireo asa atao mialohan’ny ahatongavan’ny rivodoza .

Taorian’ny namoahan’ny foibe famantarana ny toetr’andro ny vinavinan’ny toetr’andro mandritra ny vanim-potoanan’ny rivodoza 2023-2024, dia niaraka nanantanteraka ny atrik’asa fanatsarana ny drafitry ny vonjy taitra nasionaly ho an’ny rivodoza sy ranobe ary fanatsarana ny asa atao mialohan’ny ahatongavan’izany  ny BNGRC sy ny UNOCHA  ary ny PNUD sy ireo mpiantsehatra maro amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza .Marihina fa efa tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza 2023-2024 isika izao.

Anisan’izany firenena iharan’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara isan-taona ka noho izany indrindra no nanatsarana ny drafitra ity. Efa maro ireo atrik’asa natao taorian’ny fiafaran’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza 2022-2023, izay nahafahana naka lesona momban’ny fitantanana ireo loza nifanesy, hatsarina izay hita fa nety raha toa ka esorina kosa izay tsy nahitam-bokatra.

Tanjona ny hanamafy ny rafitra amin’ny fandrindrana ny asa fanaraha-maso, ny asa atao mialohan’ny fahatongavan’ny rivo-doza, ny fampitandremana ary ny fandraisana andraikitra manoloana ny loza izay mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny faritra iray na maromaro.

Nanamarika ny Talen’ny BNGRC nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ireo mpanao gazety fa  voafehin’ny Fitondram-panjakana malagasy ny fitantanana ireo rivo-doza maro nifanesy teto ary reharehatsika izany. Porofon’izany ny fahamaroan’ireo firenena aty afrika tonga eto Madagasikara manatanteraka fivahinianana haka traikefa  , isan’izany ry zareo Mozambikana izay efa nanao izany teo aloha ary mbola hiverina indray atoato handrato traikefa eto Madagasikara.


Nalaina tao amin’ny : https://www.depeche-taratra.mg/

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…