FITRANDRAHANA HARENA AN-KIMBON’NY Y TANY AO DABOLAVA

315 0
FITRANDRAHANA HARENA AN-KIMBONY TANY AO DABOLAVA TSY MISY TAMBERIM-BIDY HATRETO MISY TOMPON’ANDRAIKA AMBONY AMBADIK’IREO SINOA
Malaza amin’ny harena an-kimbony tany ny distrikan’ny Miandrivazo saingy hatreto dia tsy hita soritra ao ireo harena an-kimbony tany mivoaka avy ao satria manao izay tiany atao ireo mpitrandraka sy mpividy vokatra ao na dia nanao ezaka aza ireo tompon’andraika ao amin’ny faritra Menabe amin’ny fampidirana ireo mpitrandraka sy mpandraraha eo amin’ny sehatra ity ho amin’ny ara-dalàna saingy indrisy fa nohon’ny fidiran’ireo sinoa izay nisy baiko nidina dia tsy afa-manoatra ny rehetra etsy an-kilany koa dia misy koa ireo manararaotra milaza fa tompon-tany ka mandrava ny vokatr’ireo mpitrandraka ary maka vola amin’ireo mpivarotra koa manao antso avo amin’ny filoham-pirenena hajaina ireo mpitrandraka madinika sy ny filoham-pokotany ary ny hofan’ny Ben’ny Tanan’ny mba hijery akaiky ny fitrandrahana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Dabolava satria efa tsy misitraka tamberim-bidy izy ireo mbola hiaran’ny tsindry sy fanararaotam-pahefana izay voalaza fa minisitra sy avy any amin’ny fiadidianana ny repoblika no mibaiko ka tsy misy afa manohatra ny rehetra.
Hatreto dia ahiana ny hampitoka-monina ny faritra Menabe satria dia efa tena ratsy tanteraka ny lalana mampitohy an’i Dabolava sy Miandrivazo indrindra fa manomboka eo Ankiranomena ka miantso ny tompon’andraika mba hijery azy io alohan’ny hilatsahan’ny orana.
✍️RA PA

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…