FITRANDRAHANA HARENA AN-KIMBON’NY Y TANY AO DABOLAVA

141 0
FITRANDRAHANA HARENA AN-KIMBONY TANY AO DABOLAVA TSY MISY TAMBERIM-BIDY HATRETO MISY TOMPON’ANDRAIKA AMBONY AMBADIK’IREO SINOA
Malaza amin’ny harena an-kimbony tany ny distrikan’ny Miandrivazo saingy hatreto dia tsy hita soritra ao ireo harena an-kimbony tany mivoaka avy ao satria manao izay tiany atao ireo mpitrandraka sy mpividy vokatra ao na dia nanao ezaka aza ireo tompon’andraika ao amin’ny faritra Menabe amin’ny fampidirana ireo mpitrandraka sy mpandraraha eo amin’ny sehatra ity ho amin’ny ara-dalàna saingy indrisy fa nohon’ny fidiran’ireo sinoa izay nisy baiko nidina dia tsy afa-manoatra ny rehetra etsy an-kilany koa dia misy koa ireo manararaotra milaza fa tompon-tany ka mandrava ny vokatr’ireo mpitrandraka ary maka vola amin’ireo mpivarotra koa manao antso avo amin’ny filoham-pirenena hajaina ireo mpitrandraka madinika sy ny filoham-pokotany ary ny hofan’ny Ben’ny Tanan’ny mba hijery akaiky ny fitrandrahana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Dabolava satria efa tsy misitraka tamberim-bidy izy ireo mbola hiaran’ny tsindry sy fanararaotam-pahefana izay voalaza fa minisitra sy avy any amin’ny fiadidianana ny repoblika no mibaiko ka tsy misy afa manohatra ny rehetra.
Hatreto dia ahiana ny hampitoka-monina ny faritra Menabe satria dia efa tena ratsy tanteraka ny lalana mampitohy an’i Dabolava sy Miandrivazo indrindra fa manomboka eo Ankiranomena ka miantso ny tompon’andraika mba hijery azy io alohan’ny hilatsahan’ny orana.
✍️RA PA

Related Post

𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐒𝐘 𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐎 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 29, 2024 0
𝗢𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗲𝗻𝗶𝗻𝗮(06) 𝗻𝗼 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝗶𝗺𝗮𝗿𝗶𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮, 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗼𝗵𝗶𝗿𝗼𝗵𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 𝗧𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮𝗹𝗼𝗸𝗲 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝗲𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆.   𝗧𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆…