RN4: Ho hentitra ny fepetra horaisina amin’ireo mpamily fiara taksiborosy manao Β Β» dona miverina, Β Β» sy mameno mampiditra olona eo amin’ny tobi-tsolika Shell eto MaevatanΓ na an-tampon-tanΓ na.
π Nafana ny dinika niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fifamoivoizana an-tanety avy any Antananarivo sy Mahajanga: ( Administrateur ATT National, Dir. ATT Boeny, 1er Vice PrΓ©sident CPCTRV, Lehibeny PTR: Police des transports Routier, prΓ©sident coopΓ©rative Cootrag, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy, Chef CSP MaevatanΓ na, Dir. Transport et de la MΓ©trologie de Betsiboka,) tao amin’ny efitranom-pivoriana ny prefekitiora ny harivan’ny Atalata faha 22 Jolay taona 2025 lasa teo iny.
π Tapaka nandritra izany fa ho hentitra ny fepetra horaisina amin’ireo mpamily fiara taksiborosy tsy manaja ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana, indrindra ireo manao Β Β» dona miverina, Β Β» eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, ao anatin’izao vanim-potoana fialantsasatra lehibe izao. Vaolaza ihany koa nandritra ny dinidinika ambany tafin-trano, fa tsy azo hatao ny mameno sy mampiditra olona eny amin’ny tobi-tsolika Shell eto MaevatanΓ na an-tampon-tanΓ na no tsy maintsy any amin’ny fokontan’Antanambao, eny amin’ny Gare RoutiΓ¨re ny hanaovana izany.
π Taorian’izay dia nidina nijery ireo fiara taksiborosy nasionaly mameno sy mampiditra olona eny amin’ny tobi-tsolika voalaza etsy aloha, izy ireo no nanao fizahana ny hazavan’ny jiro, eny amin’ny fiantsoana fiara taksiborosy nasionaly sy rezionaly eto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka.
Nangonon’i Zandry be Tantely







