SADC eto Madagasikara: Mihamafana ny adihevitra eo amin’ny fitondrana sy ireo mpanohitra

108 0

Niteraka resabe ara-politika indray ny fahafantarana fa eto Madagasikara no hampiantranoana ny fihaonambe faha-45 an’ny Vondrona SADC (Southern African Development Community), amin’ny volana Aogositra 2025. Raha tokony ho zava-dehibe ho an’ny firenena amin’ny resaka diplaomasia sy fandraisana andraikitra iraisam-pirenena izany, dia nisy kosa ny feo manohitra avy amin’ireo filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.

Nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo, nilaza mazava izy ireo fa tsy tokony ho tanterahina eto Madagasikara io fivoriana lehibe io, noho ny antony tsy nohazavainy tamin’ny an-tsipiriany.

Nanoloana izany, dia namaly an-karihary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Ramatoa MARA Volamiranty Donna. Notsiahiviny fa efa nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa misy endrika “populisme” ataon’ireo mpanohitra amin’izao fotoana izao, amin’ny fiezahany handresy lahatra vahoaka amin’ny alalan’ny fanoherana an-jambany.

« Tsy mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka fa manosika korontana fotsiny no ataon’izy ireo, » hoy izy nanamafy. « Tsy azo lavina fa eo ambadiky ny fanoherana dia misy ihany koa ny fialonana ara-politika, satria Andriamatoa Andry Rajoelina, Filoha am-perinasa, no ho filohan’ny SADC manaraka. »

Nohamafisin’ny Minisitra MARA Donna fa hanaja sy hiaro hatrany ny filaminana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena ny Fanjakana sy ny Governemanta, ary tsy hisy intsony, hoy izy, ny toerana ho an’ny korontana eto Madagasikara.

Tetikasa diplaomatika lehibe

Araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fihaonana farany nataon’ireo mpikambana ao amin’ny SADC tany Harare, renivohitr’i Zimbabwe, dia i Madagasikara no voatendry ho mpampiantrano ny fihaonambe faha-45. Amin’izany fotoana izany ihany koa no hanoloran’Andriamatoa Cyril Ramaphosa, Filoha Afrikanina Tatsimo, ny fahefana amin’ny fomba ofisialy ho an’i Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblika Malagasy, amin’ny maha Filohan’ny SADC azy mandritra ny fe-potoana manaraka.

Anisan’ny ho tanterahina amin’io fotoana io ny lanonana fifamindram-pahefana, ny fivoriana ara-teknika sy ara-politika, ary ny fametrahana ny vina vaovao ho an’ny firenena mpikambana.

Nangonin’i Bevomaso

Related Post

𝐊𝐚𝐧𝐝𝐢𝐝𝐚 𝐇𝐀𝐑𝐈𝐋𝐀𝐋𝐀 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 | 𝐇𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐋𝐀𝐅𝐘 𝐌𝐀𝐈𝐌𝐀𝐈𝐌-𝐏𝐎A𝐍𝐀

Posted by - novembre 21, 2024 0
𝐊𝐚𝐧𝐝𝐢𝐝𝐚 𝐇𝐀𝐑𝐈𝐋𝐀𝐋𝐀 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 | 𝐇𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐋𝐀𝐅𝐘 𝐌𝐀𝐈𝐌𝐀𝐈𝐌-𝐏𝐎A𝐍𝐀 — Ho fanampiantsika ny tanoran-tsika, dia hisy fampiofanana mikirakira ny 𝐄𝐥𝐞𝐜𝐭𝐫𝐨𝐧𝐢𝐪𝐮𝐞, 𝐏𝐥𝐨𝐦𝐛𝐢𝐞𝐫…