π—™π—œπ—§π—’π—₯π—œπ—”π—‘π—” π—™π—œπ—Ÿπ—”π—­π—”π—‘π—§π—¦π—”π—₯𝗔 π—œπ— π—£π—”π—–π—§ 2025 π— π—œπ—”π—₯π—”π—žπ—” π—”π— π—œπ—‘`𝗑𝗬 π—™π—œπ—”π—‘π—šπ—’π—‘π—”π—‘π—” π—”π——π—©π—˜π—‘π—§π—œπ—¦π—§π—˜

16 0
Tsy latsa-danja amin`ny fitoriana filazantsara ataon`ny fiangonana adventiste toa misy any amin`ny distrika hafa ny eto Mandritsara. Nanomboka ny 18 ary tsy hifarana raha tsy 31 may 2025 ny famelabelarana an-tsoratra masina Impact 2025 izay ataon`izy ireo. Tomefy olona ny ao amin`ny stade municipal isaka ariva fotoana anaovana ny famelabelarana.
Ny pastora Abrao Mamphulussa Mututu avy any Mozambika no mitondra fampianarana, pastora Razakatianjanahary kosa no mpandika teny.
Manomboka amin’ny 6 ora hariva, fotoana natokana ho an’ny ankizy , torohevitra ara-pahasalamana rehefa izay fampitana ny hafatra. Hakotroka ny famaranana izany 31 may izao satria efa samy velona tao an-tsain`izay tonga teto ny vokatsoa tamin`ny fampianarana azo teto nandritra herinandro vitsy lasa.
Nangonin`Uni Raz

Related Post