πŒπˆπ“π€π‘πˆπŠπ€ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€ π’π˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’π€πŒππ€π“πŽππƒπ‘π€π™π€πŠπ€ 𝐍𝐘 π†πŽπ•π„π‘ππŽπ‘π€

136 0
Mitohy ny asa fanadiovana sy fanatsarana ny tanana ato amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro araka ny efa nambaran’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro.
Nitarika izany androany Talata 28 May 2028 ny Governora Dr Guy RAMAROSANDRATANA izay nijery ny fizotran’ny asa fanatsarana ny eny anivon’ny fitalevam-paritry ny fahasalamana ary niaradia taminy ny solombavambahoaka Andry Jean Patrick.
Nanohy ny asa fanadiovana teo amin’ny sisin’ny CEG Razaka Ambohimasina kosa ireo mpiasan’ny fiadidiana ny Faritra niaraka tamin’ireo mpiasa avy eo anivon’ny fitalevam-paritry ny fanabeazam-pirenena ary nanohy izany asa fanadiovana izany tany amin’ireo toerana efa narindran’ny kaomity avy eo.
Ankoatran’ny eny anivon’ny fitalevam-paritry ny fahasalamam-bahoaka moa dia anisan’ireo toerana tena ho atsaraina ihany koa ny « jardinΒ Β» eo amin’ny rond point technique, ny manoloana ny Lapan’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny eny amin’ny La place Ambatondrazaka.
Mitohy ihany koa ny fanamboarana vonjimaika ireo lalana eto antampotananan’Amabtondrazaka ka ny teo amin’ny Total no nasiana fanamboarana ny androany Talata.
✍️ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

Paska Antsirabe

Posted by - avril 1, 2024 0
Paska Antsirabe Anisan’ny fety iray tena mampiavaka an’Antsirabe ny fetin’ny paska, saika Tonga eto avokoa ny avy any amin’ny faritra…

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π₯𝐨𝐑𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π₯𝐨𝐑𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (π‘΅π’‚π’π’π’Žπ’† π’•π’π’Œπ’π’•π’‚π’π’š 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`π’π’š π’π’‚π’π’…π’‚π’“π’š π’•π’π’ƒπ’š π’π’š π’‡π’π’Œπ’π’π’π’π’π’π’‚ 𝒂𝒐 π‘¨π’Žπ’ƒπ’‚π’“π’Šπ’‘π’‚π’Šπ’Œπ’‚ 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…