Tanora maherin’ny 400 avy amin’ireo Faritra mandrafitra ny Faritany Toliara teo aloha no mifamotoana eto mandritra ny telo andro izay hisitraka fiofanana Fahaiza-mitarika sy Fandraraharahana ary Fampandrosoana.
Tonga nanokatra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Moustapha MARSON sy ny Solontena maharitry ny PNUD eto Madagascar, Edouard Christow, mpiara-miasa koasa ny UNICEF sy ny UNFPA ka ny tetikasa Fihariana izay eo ambany fiahian’ny Fiadidian’ny Repoblika no miantoka ny fanofanana ireto tanora ireto.
Tomponandraikitra amin’ny ho fampandrosoana an’i Madagascar ireo tanora ary miantoka ny hoavin’ny tsirairay.
Nanotrona ny lanonana teto ny Ben’ny Tanana mpisolo toerana Toliara Ambony vohitrin’i Toliara Jacques Γlie Lamarre sy ny Solombavambahoakan’i Ampanihy Andrefana TSARADIA Marco
Raha ny fadaharm-potoana navoakanβny ministeranβny fanabeazam-pirenena dia ny alatsinainy faha sivy ny volana septembre teo no tokony hanomboka ny taom-pianarana…
π Araka ny toromarika azo avy any amin’ny foibem-pibaikona ny zandarimariam-pirenena, manolonana ny politika ankapoben’ny fanjakana, amin’ny lafiny filaminana sy…