TOAKA GASY NEKENA NY HIVAROTANA AZY RAHA TOA KA …

386 0
Nolanian’ny Solombavambahoaka nandritra ny fivoriana azon’ny rehetra natrehina izay natao androany 21 Mey 2025 tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza,tamin’ny endriny nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana ny Tolo-dalàna laharana faha-001-2025/PL momba ny famokarana sy famarotana ny toaka gasy eto Madagasikara.
🔹Dingana lehibe ho fanomezan-danja an’ireo Tantsaha mpamokatra toaka gasy izany.Ny Toaka Gasy mantsy dia tsy afa-misaraka amin’ny fomba amam-panao na ankafaliana na ankaratsiana.
🔹Ny Solombavambahoaka voafidy tao Toamasina faharoa Atoa ROILAHY JONAH ,dia efa ela no nirary ny hahatongavana amin’izao dingana izao,satria anisan’ny ahitàna Mpamokatra Toaka Gasy Betsaka ny ao amin’ny Distrikan’ny Toamasina Faharoa.
🔹Mbola handalo eo anivon’ny Antenimieran-doholona anefa ity Tolo-dalàna ity ka andrasana ny ho vokatr’izany.

Related Post

𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀

Posted by - septembre 22, 2024 0
𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐎𝐓𝐀-𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐍𝐃𝐈𝐃𝐀 𝐈𝐑𝐌𝐀𝐑 22 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 Tonga nanontrona ireo kandida ben’ny tanana IRMAR…