Tsy nisy anarana na taratasy manamarina io sambo io, fa hita fa mitondra laharana PPC 5820-OL-12.
Teratany maorisianina telo no tao anatiny. Nilaza izy ireo fa nanaovana fitsapana an-dranomasina ilay vedette, ary nony avy eo dia nitsingevana nandritra ny 19 andro ka tonga taty amin’ny morontsirak’i Madagasikara.
Na dia nandeha an-dranomasina nandritra izany fotoana lava izany aza, dia samy salama tsara izy telo, tsy nisy soritr’aretina, tsy nisy famantarana loza na fahavoazana.
Nanatanteraka vavaka ho an’ny Firenena ny FFKM(Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Madagasikara) omaly alahady 23 jona 2024,tao amin’ny Paroasy katedraly eto antsirabe.…