MANANARA AVARATRA – FIARAHA-MIENTAN’NY ZANDARY SY NY VAHOAKA HO AN’NY FANDRIAM-PALEMANA ENY IFOTONY.

111 0
Mitohy hatrany ny ezaka iombonan’ny Zandary sy ny vahoaka amin’ny fanamafisana ny fandriampalemana eny ifotony.
Anisan’ny tena fototra iankinan’izany ny fandraisan’anjaran’ireo tanora mirotsaka an-tsitrapo ho “quartier mobile”, izay mandray andraikitra mivantana amin’ny fiarovana sy fanamafisana ny fandriampahalemana eo anivon’ny fokontany misy azy ireo.
Tamin’ity herinandro ity dia notohizana tany amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambodivoanio sy Ambodiampana indray ny fanofanana ireo “quartier mobile”, ho fanamafisana ny fahaiza-manaony sy hanatsarana ny asany amin’ny fitandroana ny filaminana.
Tsy afa-misaraka amin’izany rehetra izany ny fiaraha-miasa amin’ireo olom-boafidy, izay mitondra hevitra sy fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tena zava-misy eny amin’ny fokontany tsirairay.
Izany fiaraha-mientana sy fifampitokisana izany no fototry ny fandriampahalemana maharitra.
Nangonin’i Kamisy Odino

Related Post

VOHITRA VOHITRAMBO, COMMUNE MIARINAVARATRA, DISTRIKAN FANDRIANA

Posted by - juillet 10, 2024 0
𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀𝐌𝐁𝐎, 𝐂𝐎𝐌𝐌𝐔𝐍𝐄 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀, 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 — Velon-taraina ny Mponina nohon’ny fahasimban’ny « Pilône eto Vohitrambo » izay mamatsy fifandraisana…