Vondron-tobim-pileovan’ny Zandary Betsiboka | Fitsidihana nataon’ny kaomandy ny Zandarimaria

393 0
Vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka: Fitsidihana nataon’ny kaomandy ny Zandarimaria sy ny lehiben’ny kaomandy ny sekoly sy fiofanana eo anivon’ny Kaomandy ny Zandarimariam-pirenena.
👉 Nandritra ny fitsidihana natao dia nanararaotra nitafa sy ny dinika, ary namory ireo Zandary ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka ny kaomandy ny Zandarimaria  » Général de Division, » Rakotomalala Andriantahina Jean Herbert sy ny général de division RAMASITERA Ny Haingo, izay notarihin’ny Lietinà-kolonely Andrianatrehina Hando Dinah.
👉 Tao anatin’ny dinidinikana ambany tafi-trano, teny amin’ny  » BPR Maevatanàna, » dia nampatsiahivana tamin’izany ny fanajana ny zon’olona, fahaizana mikirakira ny fandriam-pahalemana, fifandraisana amin’ny manam-pahefana isan-karazany, fandraisana andraikitra, fitondran-tena mandritra ny fanatanterahana ny asa sy ny tokony hanomezana marim-pakasitrahana, hoan’ireo Zandary manao ny aina tsy ho zavatra, izay tsy mandry andro sy alina manao ny asany, raha ny fanamafisam-panazavana nataon’ny Jeneraly RAMASITERA Ny Haingo hatrany.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa ny Zandarimaria dia miara-miasa amin’ny vahoaka mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra, ka manantena hatrany izy ireo, amin’ny fanomezana vaovao marina, ara-potoana.
✍️Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…