Vondron-tobim-pileovan’ny Zandary Betsiboka | Fitsidihana nataon’ny kaomandy ny Zandarimaria

186 0
Vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka: Fitsidihana nataon’ny kaomandy ny Zandarimaria sy ny lehiben’ny kaomandy ny sekoly sy fiofanana eo anivon’ny Kaomandy ny Zandarimariam-pirenena.
👉 Nandritra ny fitsidihana natao dia nanararaotra nitafa sy ny dinika, ary namory ireo Zandary ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka ny kaomandy ny Zandarimaria  » Général de Division, » Rakotomalala Andriantahina Jean Herbert sy ny général de division RAMASITERA Ny Haingo, izay notarihin’ny Lietinà-kolonely Andrianatrehina Hando Dinah.
👉 Tao anatin’ny dinidinikana ambany tafi-trano, teny amin’ny  » BPR Maevatanàna, » dia nampatsiahivana tamin’izany ny fanajana ny zon’olona, fahaizana mikirakira ny fandriam-pahalemana, fifandraisana amin’ny manam-pahefana isan-karazany, fandraisana andraikitra, fitondran-tena mandritra ny fanatanterahana ny asa sy ny tokony hanomezana marim-pakasitrahana, hoan’ireo Zandary manao ny aina tsy ho zavatra, izay tsy mandry andro sy alina manao ny asany, raha ny fanamafisam-panazavana nataon’ny Jeneraly RAMASITERA Ny Haingo hatrany.
👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa ny Zandarimaria dia miara-miasa amin’ny vahoaka mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra, ka manantena hatrany izy ireo, amin’ny fanomezana vaovao marina, ara-potoana.
✍️Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀

Posted by - octobre 31, 2024 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 (𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝑪𝑺𝑨𝑶 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…