Tontosa tao amin’ny tranompokon’olona Amparafaravola ny Alarobia 07 May 2025 ny atrik’asa sy fampiofanana handrindra ireo tetik’asam-pampandrosoana eny anivon’ireo Kaominina ao amin’ny Distrikan’Amparafaravola.
Nitarika izany ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA sy ireo mpiara miasa aminy, ary niara dia tamin’izy ireo ny Prรฉfet an’Ambatondrazaka sady lehiben’ny OMC Alaotra Mangoro Dr RAKOTOARIDINA Dieudonnรฉ sy ireo talem-paritra.
Nitomba araka izany ny fahalalana azon’ireo ben’ny tanana sy ireo mpanolotsaina ary ny sekretera mpitam-bola avy amin’ireo Kaominina 22 eo ampanatanterahana ny asany satria feno dia feno ny fiofanana azon’izy ireo.
Inoana ihany koa fa ho tratra ny tanjona amin’izao atrik’asa sy fampiofanana izao dia ny hisian’ny fampandrosoana mirindra amin’ireo Kaominina tsirairay avy araka ny fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina hoe tsy misy intsony Kaominina ho adino.
Fantatra moa fa hisitraka izao atrik’asa sy fampiofanana izao avokoa ireo ben’ny Tanana sy mpanolotsaina ary Sekretera mpitam-bola amin’ireo Distrika 05 ato amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ka ny an’Andilamena sy Amparafaravola izay no vita hatreto.