Andranobevava-Maevatanàna | Natsahatra tamin’ny andraikiny, ireo voameran’ny ala

194 0
Andranobevava-Maevatanàna: Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny  » DIREDD Boeny sy CIREF Betsiboka » dia natsahatra tamin’ny andraikiny, ireo voameran’ny ala any an-toerana.
👉 Araky ny efa notanterina teto amin’ny gazety an’habaka feon’ny demokrasia Madagasikara androany maraina teo, makasika ny fanerena mpiasa volamena nanome vola 1920.000 ariary hoan’ireo voameran’ny ala na kaomity miaro ny doro-tanety any Andranobevava, izay nolozaina fa nikapa hazo iray na vata manga dia nidina ifotony nalaky ny tompon’andraikitra, teo anivon’ny tontolo iainana sy Fandrosoana lovainjafy na ihany koa  » DIREDD Boeny sy chef Ciref Betsiboka.
👉 Taorian’ny fanangonam-baovao tany amin’ny fokontan’Andranobevava, any amin’ny kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nahalalana fa tena nisy tokoa ny ramatahora nataon’izy roalahy voameran’ny ala any an-toerana, tamin’ireo mpiasa volamena enin-dahy hanome vola tsy misy hatak’andro, mba tsy hampiakarana ny raharaha eto Maevatanàna.
👉 Gaga sy talanjona ny tompon’andraikitra avy amin’ny DIREDD Boeny sy Chef Ciref Betsiboka rehefa naheno ny kolikoly avo lenta, nataon’izy roalahy voameran’ny ala. Ary tamin’izay indrindra no natsahatra tamin’ny andraikiny, ireto farany. Lasa lavitra tokoa ity raharaha ity, satria nisy mpiray tsikombakomba tamin’ny fanerena ireo mpiasa volamena nanome vola 1920.000 ariary ny Alahady hariva teo izy roalahy voameran’ny ala.
Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

TOLIHO SAKARAHA |SAKARAHA

Posted by - juillet 13, 2024 0
Firaisankina no hoentina hampandroso ny Faritra na Distrika iray ary fifanomezantanana. Tsy solombavambahoaka izay nifidy ahy aho hoy RAPHAEL Jean…

𝐇𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐢𝐡𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐦𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚

Posted by - octobre 11, 2025 0
Antananarivo — Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala,…