MANAKARA FAMETAHANA SAMBOADIN’IREO BÉN’NY TANÀNA ATO ANATIN’NY FARITRA FITOVINANY

365 0

🔶 Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany sabotsy faha 22 martsa 2025 ny samboadin’ireo bén’ny Tanàna miisa 85 ato anatin’ny faritra Fitovinany izay avy Amin’ny Distrika Telo dia Vohipeno sy Ikongo Ary Manakara

🔶Tonga nametraka Izany tamin’ny fomba ofisialy ny ministra ny fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro Sady mpiahy ny faritra Fitovinany Andriamatoa Valérie RAMONJAVELO izay notronon’ireo mpikambana eo anivon’ny gouvernement Ramatoa SAHONDRARIMALALA Marie Michelle izay ministry ny fanabeazam-pirenena sy ireo iraka maventy avy amin’ny fitondrapanjakana ka nahitana ny Filoha lefitra ny antenimierandoholona misahana ny tapany Atsimo Nicolas RABEMANANJARA Ary ny Filoha ny antenimierampirenena misahana ny faritany Fianarantsoa Ramatoa FOMENDRAZA Haingo Elisiet ( Haingo Nambinina), ankoatra ireo solombavambahoakan’i Madagascar voafidy avy amin’ireo Distrika Telo izay mandrafitra ity faritra ity sy ireo olo manakaja sivily sy miaramila izay nasaina . Fa tazana nandritra ity ihany koa ny Talé jeneralin’ny vondrona SODIAT Mamy RAVATOMANGA sy ny gouveronoran’ny faritra roa mirahalahy avy ao Amin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy Faritra Analamanga Hery RASOARIMAKA izay samy Nanome voninahitra ny lanonana.

🔶 Nitondra hafatra maventy Ary nitaky fiaramientan’ireo bén’ny Tanàna tsirairay moa ny ministra mpiahy raha nandray fitenenana nandritra ity androany ity Ary Nanome toromarika sy fampahafantarana ny tena hasiny Izany olom-boafidy Izany indrindra ny Maha zava-dehibe ny mitondra vahoaka . Nambarany fa Mila manana fomba fijery vaovao raha tehampandro ny Tanàna Naha lany azy ireo bén’ny Tanàna tsirairay mba ahatanteraka ny fampandrosoana izay nampanantenaina ny vahoaka nifidy , Ary farany dia Mbola nanamafy ny tenany fa vonona Ary ao andamosinareo mandrakariva ny fitondrapanjakana izay tarihan’andrimatoa Filoha ANDRY Nirina Rajoelina.

🔶Noho izany rehetra Izany dia velompisaorana ny fitondrapanjakana ireo bén’ny Tanàna vaovao Ary nampitondra hafatra tamin’ireo delegasiona hoan’i Andriamatoa Filohan’ny repoblika fa vonona hifanome tànana aminy ho fampandrosoana ny kaominina tsirairay izay nifidy azy ireo manomboka izao raha nambaran’ny solotenan’izy ireo Zay nandray fitenenana androany.

Nangonin’i Mamiko Seraphin

Related Post

𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚   𝐧𝐨𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲

Posted by - mars 28, 2025 0
Indroa miantoana amin’izao fotoana izao no nitantanan’i Ramatoa  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚  ny Kaominina Renivohitra Ifanadina, ao anatin’ny Distrika Ifanadina, ao amin’ny…

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 |𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧-𝐤𝐨𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…