Antsiafabositra-Maevatanàna: Mpianatra ao amin’ny EPP, CEG, Lycée no nihetsika am-balavelona.

141 0

Antsiafabositra-Maevatanàna: Mpianatra ao amin’ny EPP, CEG, Lycée no nihetsika am-balavelona.

Nanaitra ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mponina any an-tampon-tanàna ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny nahita ireo mpianatra, izay nihetsika am-balavelona tao amin’ny CEG sy Lycée ny herinandro lasa teo iny.

 Nanomboka androany ihany koa dia nihitatra tao amin’ny EPP any Antsiafabositra ny tranga am-balavelona mampatahotra.

Maro ireo mpianatra no tsy namonjy sekoky nohon’ny tahotra amin’izany. 👉 Rehefa naheno sy nahita ny trangana am-balavelona miseho amin’ny hendriny mirifadrifatra sy miantso mafy ny Ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitra any an-toerana, ary ireo mpampianatra dia nanatanteraka fovoriana makasika izany mba hitadiavana vahaolana amin’ity tranga ity.

Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

Toamasina, zaza tsy ampy taona nifanao valifaty

Posted by - novembre 23, 2024 0
𝐓𝐫𝐚𝐧𝐠𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐁𝐞𝐭𝐚𝐢𝐧𝐨𝐦𝐛𝐲: 𝐀𝐧𝐤𝐢𝐳𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐤𝐚 𝟐 𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐲. Samy mbola mpianatra…