Antsiafabositra-Maevatanàna: Mpianatra ao amin’ny EPP, CEG, Lycée no nihetsika am-balavelona.

336 0

Antsiafabositra-Maevatanàna: Mpianatra ao amin’ny EPP, CEG, Lycée no nihetsika am-balavelona.

Nanaitra ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mponina any an-tampon-tanàna ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny nahita ireo mpianatra, izay nihetsika am-balavelona tao amin’ny CEG sy Lycée ny herinandro lasa teo iny.

 Nanomboka androany ihany koa dia nihitatra tao amin’ny EPP any Antsiafabositra ny tranga am-balavelona mampatahotra.

Maro ireo mpianatra no tsy namonjy sekoky nohon’ny tahotra amin’izany. 👉 Rehefa naheno sy nahita ny trangana am-balavelona miseho amin’ny hendriny mirifadrifatra sy miantso mafy ny Ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitra any an-toerana, ary ireo mpampianatra dia nanatanteraka fovoriana makasika izany mba hitadiavana vahaolana amin’ity tranga ity.

Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓

Posted by - juin 28, 2025 0
𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓 𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗿𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟲𝟱 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮 Natao tamim-pomba miavaka sy manandanja ny fankalazana…