π—π—˜π—¨π—‘π—˜π—¦ π—”π——π—©π—˜π—‘π—§π—œπ—¦π—§π—˜ 𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – 𝗠𝗔𝗑𝗔𝗦𝗒𝗔 𝗑𝗬 π—™π—œπ—”π—₯π—”π—›π—”π— π—’π—‘π—œπ—‘π—” 𝗔π—₯π—”π—žπ—¬ 𝗑𝗬 π—™π—œπ—§π—”π—œπ—­π—”π—‘π—” 𝗧𝗦𝗔π—₯𝗔 𝗔𝗭𝗒𝗑𝗬

279 0
Mijoro araka ny fitaizana nomena azy ireo ny tanora adventiste eto Mandritsara ka tsy mitsahatra manatanteraka hetsika fanaony isan-taona rehefa tonga ny fankalazana ny « Global Youth day » lohahevitra amin`ny taona 2025 izao ny hoe « A community transformed » Misandrahaka amin`ny lafiny maro ny fikolokoloana ny Jeunes Adventiste hampisy ny fiovana amin`ny sehatra tsara : eo ny ara-panahy ao anatin`ny fiangonana, fanampiana ny fiarahamonina koa. Nisafidy nanao asa soa ho an`ny be antitra ao amin`ny fokontany Mandritsara ambony tanora ireto androany alahady 16 martsa. Be antitra 30 no nomena savony ho fidiovana ka velom-pisaorana ny hetsika nataon`ny JA izy ireo « Hadio lamba tafianay, hoatr`izany koa ny vatana. Samia ho tahianjanahary antsika » hoy ireo Ray amandreny mpisitraka. Tsy izay ihany fa nanadio lalan-drano sady nanaisotra lobolobo manodidina tohatohatra avy ao Ankobasoa makatra Mandritsara koa ny Tanora advantista.
Mitsinjo fiarahamonina ny Jeunes Adventiste, misokatra amin`ny sehatra maro indrindra ny ara-piarahamonina ny tanora hoy Pasteur district Mandritsara, Solofoson Zex Pizzani. Velom-pankasitrahana ny sefo fokontany moa izy ireo teto satria tsy nanda ny hanaovana hetsika izao ny mponina ao an-toerana. Hahitatra amin`ny fokontany hafa ny asa soa amin`ny taona manaraka hoy hatrany ny mpitarika.

Related Post

ππ‘π„π…π„πŠπ“πˆπŽπ‘π€π’𝐈 π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑢𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑢𝑹𝑰𝑨𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑻𝑨𝑡𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑷𝑢𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑡𝑲𝑨𝑷𝑢𝑩𝑬𝑡𝒀 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑱𝑨𝑲𝑨𝑡𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑡𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑡𝑢𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑢𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑡𝑬𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒀…