Tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna: Mitohy hatrany ny fitadiavam-bahaolana makasika ny firongatry ny trangana kidnapping tao ho ao izay.

145 0
Tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna: Mitohy hatrany ny fitadiavam-bahaolana makasika ny firongatry ny trangana kidnapping tao ho ao izay.
👉 Anisan’ny vato misakana hafahana miroso amin’ny lafin’ny fampandrosoana tokoa ny trangana tsy fandriam-pahalemana miseho, any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna iny an-kehitriny.
👉 Nohon’izany dia mitohy tsy misy hatak’andro hatrany ny fitadiavam-bahaolana makasika ny firongatry ny trangana « kidnapping, » izay nanao sesilany tao ho ao, raha any amin’iny faritra voalaza etsy aloha iny no resahina.
👉 Nisy hatrany ny fidinana ifotony tamin’ireo tanàna mafana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana miseho, toy ny any amin’ny kaominina ambanivohitra: Brieville, Ambakireny, Manakana, Ampandrana, izay hadinihana ny ady amin’ny kidnapping sy halatr’omby, fanafihana mitam-piadiana.
👉 Izany moa dia notarihin’ny préfet faritra Betsiboka, Solombavam-bahoaka any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, lehiben’ny ZDS Ankarafantsika, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka, DMR Betsiboka, manamboninahitra avy amin’ny tafika sy Zandary, ary ireo ben’ny tanàna sy ny filoham-pokontany any an-toerana rehetra.
👉 Nafana ny adi-hevitra nandritra izany teto, satria samy tehametraka ny fandriam-pahalemana maharitra ny tsirairay mba afahan’ireo vahaoka miverina am-pilaminana ny fiainany teo aloha.
Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓

Posted by - juin 28, 2025 0
𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐌𝐈𝐑𝐀𝐇𝐀𝐕𝐀𝐕𝐘 – 𝟐𝟔 𝐉𝐎𝐍𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟓 𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗿𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟲𝟱 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮 Natao tamim-pomba miavaka sy manandanja ny fankalazana…

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - février 20, 2024 0
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀𝐇𝐀𝐍`𝐍𝐘 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 – 𝐍𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢-𝐦𝐢𝐟𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲  …